FPTAF - Izy telo lahy sady mpitandrina no mpivarotra
Ny Baiboly Masina

Fantatrao ve izy telo mianaka sady mpitandrina no mpivarotra? Ratsimanohitra, Raseheno, Raoelina

1) Fitarihan-teny

Taorian’ny tafa nataontsika momba an-dRamamba Andriambaventy sy ny fianakaviany, dia hiresaka fianakaviambe iray hafa izay nanana ny tantarany teto Ambohimalaza sy tamin’ny asa fanompoana teo amin’ny Fiangonana isika. Tsy tanjona velively ny hanasohaso be fahatany na koa hitsikera tsy am-piheverana ireo nialoha làlana antsika, fa ilain’ny matsilo saina sy ny tia mandalina kosa ny mamantatra ny lasa satria ny ankehitriny mantsy dia tsy nilatsaka avy any an-danitra akory na nitrebona avy tamin’ny tany, fa olombelona ihany no niteraka olombelona.

Ny fahalalana izay azo ambara tamin’ny nataon’ny teo aloha dia fanoitra iray lehibe ahazoana manao ny fandinihan-tena sy ny fampivoarana ny fomba fijery. Matetika mantsy ny fihevitra, ny hery sy ny fahalemena dia toetra nolovaina, ary fahadisoan-kevitra ny fiheverana fa tsy azo ovaina na hatsaraina izany, indrindra ho antsika kristiana nanolo-tena marina ho an’ny Kristy. Zary lasa fiteny, atao hanihany vosobosatra aza indraindray ilay hoe: “tahaka izany mihitsy izahay (na isika) ka ! ” kanefa ny tena kristiana marina dia tsy maintsy mikatsaka mandrakariva ny fihavaozana sy ny fanavaozana ny saina araka an’I Kristy (Rom 12:2b). Hery lehibe teo sy eo an-tànan’ny Zanak’Israely ny fitandroany sy ny fatehirizany tahaka ny anakandriamaso ny tantarany na nielipatrana aza izy, satria fantany tsara fa raha tsy very ny tantarany mijoro hatrany ny fotony ary tsy very ny fanahiny. Tombom-pitia avy amin’i Jehovah Andriamanitra ho azy ny firaketana ny tantarany ao amin’ny baiboly, zary lasa ianaran’ny olona eran-tany, ary inoanay fa ny takelaka toy izao dia anjara nomen’i Jehovah ho antsika koa ifampizarana izay kely voatahiry ho antsika. Tsy tantara natao hampizarazara fa andraisan-desona kosa. Hoy ny teny fahendren’ny teo aloha hoe: “mahamenatra indrindra raha tsy mba manan-daza afa-tsy ny razana (sy izay vitan’ny teo aloha)” kanefa koa mampalahelo indrindra raha zary lasa valalan’amboa ny an’ny tena ka ny tompony aza tsy tia sy tsy taitra fa ny ahazoambola ihany no hany laharam-pahamehana eo amin’ny fiainana. Fahadisoan-kevitra koa anefa ny fiheverana fa raha tsy taranaka mivantan’ireo olona voalaza ireo ianao dia tsy tantaranao izany. Tena tantaranao tokoa izany satria isan’ny namolavola ny tanindrazanao, ny tontolonao, ny fisainanao. Alao hery àry, fa hasiny iray hafa teo amin’ny tantaran’Ambohimalaza indray ity.

2) Mpitandrina sady mpivarotra? Tontolo manokana teto Ambohimalaza.

Fanontaniana mety hanaitra izy ity amin’izao vaninandro iainantsika izao kanefa dia zava-nisy sy niainan’ireo ray aman-dreny teto Ambohimalaza ireo tamin’ny taonjato faha-19 sy ny voalohandohan’ny taonjato faha-20.

Fantatry ny mpahalala avy hatrany fa mpihavana akaiky izy ireo, matoa mitovy fombafomba fiaina sy mitovy raharaha tahaka izao. Marina tokoa izany satria raha fiteny nampahalaza fatratra an’Ambohimalaza fahiny ilay ohabolana hoe: “Tehatehaka ny an’Ambodisiny fa Ambohimalaza no tompon’ny Gora” dia ny fianakaviana iraisan’izy ireo tokoa no nikoizana tamin’ny asam-barotra ary singanina etoana ny varotra gora. Anjaran’Ambodisiny (tanàna kely tsy lavitra an’i Toamasina) tokoa fahizany no namboatra ireo kitapo tsy tantera-drano nasiana ny gora enti-miakatra aty ankibon’Imerina, fa ny entana tao anatiny dia Ambohimalaza no tompony.

Lasa avy hatrany ny eritreritra, ka manontany tena hoe: fa mpivarotra ve aloha izy ireo vao mpitandrina sa mpitandrina vao mpivarotra? Inoana marimarina avy hatrany fa tontolo roa tsy nisaraka tao amin’izy ireo izany fa indray nositrahany sy nozakainy. Ny mpitandrina fahizany mantsy tsy tahaka ny ankehitriny, satria tsy mba nianatra manokana ny teolojia tamin’ny sekoly fiofanana tsy akory, fa nofidiana kosa tamin’ireo mpiara-mivavaka, mahay Soratra Masina, havanana amin’ny teny, tsara fitondran-tena sy tsara laza teo amin’ny mpiara-monina ka mendrika ny hitarika sy hampianatra.

Noho izany, raha araka ny fotoana, dia mpivarotra aloha izy ireo vao lasa mpitandrina taty aoriana, satria efa nanavanana azy mianakavy ny varotra ary efa fivelomany hatrizay izany. Taty afara izany izy ireo, vao nofidiana nanao ny fanompoan’ny mpitandrina ka samy nataony avokoa izany. Tsy dia azo noheverina fa nivelona tamin’ny nomen’ny Fiangonana ny mpitandrina tamin’izany, fa Rabevola mpitandrina voalohany tao Antampontanàna ohatra, dia nahafoy nampiasa ny vola aman-kareny hahatontosa ny zara fanompoany.

Ratsimanohitra

Raseheno

3) Izy telo mianaka sy ny fianakaviana nipoirany.

Ratsimanohitra sy Raseheno dia ray aman-dreny nitandrina teto Ambohimalaza. Teraka tokony ho manodidina ny taona 1840 tany izy ireo. Tsy adinontsika angamba fa isan’ireo mpiara-miavaka niafina teny amin-dRamamba izy mirahalahy ireo fony faha-Ranavalona I, tamin’ny andro fanenjehana.

Ratsimanohitra dia zanaka faralahin’Andriamisamanana sy Rasoamorondrano tetsy Antehikiady. Terak’Andriambe taranaky ny lahimatoa amin’Andriantompokoindrindra izy ireo, ary mpivarotra nikoizana hatry ny taranaka nifandimby. Azo ambara fa izany talenta tamin’ny fandratoana sy ny asam-barotra izany no nahatonga ny maro tamin’izy ireo tsy mba nitoetra teto Ambohimalaza fa nandeha an-tany lavitra tany anindrana rehetra tany nikaroka izay fivelomana sy varotra ahazoan-tombontsoa.
Ramboafiringa zokin-dRatsimanohitra no voalohany tany Toamasina tamin’ny fianakaviana ka nahavidy lamba sy entana betsaka tamin’ireo mpandraharaha vahiny sy nampiakatra izany kosa taty Antananarivo. Ireo havany akaiky no maninjara sy mivarotra izany teny an-tsena rehetra teny. Ratsimanohitra dia isan’ny mpandray ireo entana nalefan-jokiny ka nivarotra izany.

Raseheno dia mpirahalahy zanak’olo-mirahavavy tamin-dRatsimanohitra, satria mpirahavavy Rasoamarondrano renin-dRatsimanohitra sy Rafararenisolo renin-dRaseheno. Teo Antehikiady koa no nisy azy. Toa an-dRatsimanohitra, dia nanana an-dRandriantsolo zokiny izay nandefa entana taminy avy tany Toamasina koa Raseheno, ka izy no naninjara izany.

Raoelina: tiana asian-teny manokana ny aminy satria mpivarotra koa no nahalalan’ny maro azy kanefa dia nitandrina koa izy na dia tsy isan’ny voasoratra ho izany aza teto Ambohimalaza. Fony nodimandry izy dia ny asan’ny mpitandrina no voamarika ho asany tamin’ny taratasy fanamarinana ny fahafatesany. Raoelina tetsy Ambanitanàna dia zanaka lahiavon-dRazakandrianony sy Rabodomavo. Zanak’anabavin-dRatsimanohitra Raoelina satria anabavin-dRatsimanohitra vavimatoa Rabodomavo renin-dRaoelina. Nalaza fa ity Raoelina ity hono no Malagasy voalohany nahavita niantoka gora iray sambo, izy koa anefa dia tsy azo lavina fa niara-niasa akaiky tamin-dRamboafiringa anadahin-dreniny izay tany Toamasina.

Tsy izy telo mianaka ihany anefa no mpivarotra tamin’ny fianakaviana fa ankoatr’izy miarahalahy tany Toamasina dia izy mianakavy mihitsy no nomen’Andriamanitra talenta tamin’ny varotra. Ravazaha zokin-dRatsimanohitra ohatra dia isan’ireo teratany niompy soavaly sy ombivavy be ronono fahizany, sady nivarotra vary sy gora. Ireo rahalahin-dRaoelina toa an-dry Ramanana, Ranaivo, Randriamamboly sns dia mpanangom-bokatra, mpitatitra, mpanao vary sns ka fanta-bahoaka teto Antananarivo.

Izany toe-po mpivarotra izany, dia nahatonga azy ireo ho mpanefoefo sy natanjaka. Izany fomba fiainany miasa tena izany koa anefa dia nandrafitra toe-tsaina tia fahaleovan-tena izay. Sarotra ny mihevitra fa niditra sy nivoaka an-dRova, na nifanakaiky tamin’ny Mpanjakavavy na ny Praiministra izy ireo. Na dia fampiasa matetika amin’ny terak’Andriamasinavalona aza ilay fiteny hoe Ireo “Andriana ketsa mahafehy tena” noho izy ireo tompo-menakely tsy miankina amin’ny hafa, dia azo lazaina fa mbola ketsa mahafehy tena noho izany ireto Andriantompokoindrindra mpivarotra ireto satria tamban-jotram-barotra iraisan’ny fianakaviana no nampahatanjaka azy ireo fatratra.

4) Ny fanompoan-dRatsimanohitra sy Raseheno sy ny nitsanganan’ny Fiangonana teo Isoanierana.

Ratsimanohitra sy Raseheno dia isan’ireo resy lahatra tamin’ny filazantsara hatry fony nisian’ny fanenjehana faha-Ranavalona I ka isan’ireo niara-nivavaka niafina tamin-dRamamba Andriambaventy sy Andriamambatiana, Rabevola ary ny namany. Niara-nisalahy avokoa fony nitsangana ny Fiangonana tao Antampon’Ambohimalaza teny amin-dRamamba (1862-1863) fa dimy taona taty aoriana aoriana kosa izy mirahalahy ireo (nanomboka ny taona 1868) dia niara-nanorina ny Fiangonan’Isoanierana.

Tsy azo odiana tsy hita ihany koa, satria tantara mampahazava ny hita ankehitriny fa nanana hery izy ireo noho ny fivelomany, na dia tsy nataony ho nifikarana fatratra aza izany satria ny hasin-dRatsimanohitra sy Raseheno dia izy ireo isan’ireo Kristiana volaohany teto Ambohimalaza.

Inona no mety ho antony nananganana ny Fiangonana teo Isoanierana?

Ny fitsanganan’ny Fiangonana teto Isoanierana dia nisy antony maro fa singanina aloha ny napetraky ny tantara ankoatr’izay resaka nifandaminan’ny samy Ambohimalaza, fa toa mideza angaha hoe ny mankeny Antampontanàna, ka mety ny manao Fiangonana manakaiky ny mponina nitombo isa tety ambany. Tamin’ny tantara ofisialy moa dia notsofindrano izy mirahalahy nidina tety ambany tety (Isoanierana), ary inoana marimarina fa tamin’ny fomba mihaja sy tamim-pirahalahiana izany.

Tsy azo ihodivirana kosa anefa, araka izay efa voambara, dia tsy voatery hitovy fomba fijery hatrany ny olo-manamboninahitra ambony tahaka an-dRamamba sy ny mpandraharaha nikoizana tahaka ireto mpitandrina sady mpivarotra ireto. Araka ny efa voalazantsika dia akaikin’ny fitondrana Ramamba andriambaventy, ary ny fanjakana dia nanana ny lanjany teo amin’ny Fiangonana fa mazàna aza dia ny goverinora ihany no evajenlistra tany amin’ny tanàna maro. Ny azo ambara kosa dia, na tsy nankahala an-dRainilaiarivony tahaka an-dry Dr Rasamimanana mianakavy nanjary lasa katolika aza ry Ratsimanohitra sy Raseheno mianakavy dia tsy akaiky fitondrana kosa izy ireo.

Tsy atao mahagaga ny fizaran’ny Fiangonana na dia tsy hita taratra mivantana aza fa nety nisy tsy fitovian-kevitra tao. Raha noho ny fahateren’ny Fiangonana ihany no anton’izany dia azon’ireo lehibe ireo natao tsara ny niara-nanitatra Fiangonana teo amin’ny toerana iray nifanarahana. Tsy azo odian-tsy hita ao antin’izany ny fanirian’ny terak’Andriambe lahimatoan’Andriantompokoindrindra hametraka ny dian-tànan’izy ireo tamin’ny tantaran’Ambohimalaza. Azo heverina noho izany fa nisy ny fifanarahan’ny samy olo-manankaja araka ilay fiteny Anglisy hoe “gentlemen’s agreement” handaminana ny raharaha. Ny Fiangonana moa iray ihany kanefa ny mpitandrina lehibe afaka hitondra sy nikoizana nisy maromaro. Ary hoy koa ny fitenindrazantsika hoe “ny ombalahy tsy roa am-pahitra”, ka dia nifampitso-drano samy hizaka tena, ary dia nifindra tetsy Isoanierana izy mirahalahy lehibe dia Raseheno sy Ratsimanohitra. Tsapa tsara koa anefa ny elanelam-panahy napetrak’izy ireo, tsy mba maso sy sofin’ny Praiministra Rainilaiarivony izy ireo, ary tsy mba akaiky azy fa tsy nisafidy kosa ny ho mpanohitra tahaka an’ireo katolika.

Eto dia tsy voalaza firy ny endrika nitondrana ny Fiangonana: tena nitovy fijery ve Ratsimanohitra sy Raseheno na dia mpirahalahy aza izy? Tsy maintsy nisy aloha ny saina niraisana satria fianakaviana iray izy ireo sady mitovy raharaham-pivelomana. Tsinjo kosa fa Ratsimanohitra no mpiitarika voalohany satria izy no nijanona naharitra tao (42 taona: 1869-1911) sady zoky izy. Toa nety ihany ilay ombalahy roa am-pahitra indrindra tamin’izy ireo samy mpivarotra tia fahaleovantena satria naharitra roapolo taona ngarangidina izany fiaraha-manompo izany, midika fa nahay nifandefitra izy mirahalahy, hatramin’ny rahona nandalo ny taona 1889.

5) Dinidinika mahakasika ny trangam-pisarahana.

Nahay nifandamina sy niara-niasa tokoa Ratsimanohitra sy Raseheno nandritra ny roapolo taona ngarangidina (1869-1889), nizara indray ny Fiangonana teto. Hita soritra fa natoa nisy ny fisarahana dia nisy ny tsy fitovian-kevitra na ny tsy fifankahazoana samihafa. Rehefa misy ny fifindran’ny mpivavaka sasany hanangana Fiangonana vaovao, dia zavatra roa no mitranga: na ezahina aseho amin’ny fomba mihaja ilay izy dia ambara fa tsy fisarahana akory fa fitarana, na mihanjahanja tsy takona afenina ny fifandonana ka dia tsy maintsy zakain’ny tantara izany.

Itsy hevitra voalohany no azo hanazavana ny fidinana tetsy Soanierana (1869). Hatreny amin’ny Fiangonana teny Antampon’Ambohimalaza dia miharihary fa nisy ankolafy tao, ary tsy takona afenina izany. Ankolafim-pianakaviana, ankolafy politika, riba samy manana na dia samy taranak’olona iray aza. Ka noho izany dia tsy mora ny niaraka rehefa samihafa ny soatoavina. Sarotra ny nampiray hevitra ny maso sy sofin’ny Manjakamiadana (ny tao anatirova), sy ny mety ho zanaky ny misionera (manakim-pijery amin’ny misiona), ary ireo zatra fahaleovantena. Atodiho kely ny masonao hijery ny trano tranainy eto Ambohimalaza dia ho azonao ny fomba fijery ateraky ny ribam-pianakaviana samy manana: ireo trano mitokana anaty tokotany malalaka odidinin’ny tamboho avo dia avo, ireo trano maromaron’ireo fianakaviana mitangorona, ireo nisafidy hihataka amin’ireo tany maintimolalin’ny fianakaviana sns dia ho azonao tsara fa samy nanana ny toe-tsainy na samy taranak’ikakibe aza. Tsy azo ifanomezan-tsiny izany, fa fihevitra nateraky ny tantara an-jato taona nifandovana.

Tantara no ifampizarana ahalalan’ny tsirairay tsara ny niaviany, handrefesany ny fijery nifandovana; ireo fisainana nihoarana sy izay mbola sitrahana mandrak’androany. Mampahatsiahy kely fotsiny, fa hatry ny tamin’ikakibe Andriantompokoindrindra dia nomeny an-dRatompoindroandriana lahimatoany ny 2/3n’ny tany ary ny 1/3 kosa an’Andriandambo sy Andriamahatsiravina lahiaivony sy faralahiny. Azo hatao tsara ny maminavina ny fihetseham-po sy saina sy ny foto-pisaina naterak’izany fizarana hafakely izany. Taranak’izy telolahy ireo mitambatra ny maro, fa samy manana ny mpandovany kosa ny fomba fiheviny sy fisainany.

Zava-dehibe ny fahaiza-mifandamina, matetika dia toa moramora kokoa hono ny mamitra-pihavanana amin’ny any ivelan’ny fianakaviana, fa rehefa ny iray fianakaviana kosa no misy olana, sarotra dia sarotra ny fandaminana, izay ilay rahona nitakosona ny taona 1888-1889.

6) Ny rahona nandalo tamin’ny 1888-1889.

Ity no ilay tranga faharoa: fifandonana tsy takona afenina, na dia notantaraina amin’ny fomba somary tsiambaratelo aza. Fa ady tahaka ny ahoana e? Ady tsy toa inona akory hoy ny filazan’ny sasany azy, ka niafara tamin’ny fiasarahana. Ratsimanohitra sy Raseheno ve no ivon’izany? Tsy maintsy voakasik’izany izy mirahalahy ireo matoa Raseheno no zary lasa Mpitandrina tetsy Antsampanimahazo. Raharaha sarotra…, manahirana hoy ny filazan’i Neny Raharivelo renibenay azy, izay zanak’anabavin-dRatsimanohitra sady anabavin-dRaoelina. Tsy fitantara hoy ny hafa, tsy raharaha moramora izany no nitranga na maivan-danja, fa tena sarotra, satria niafara tamin’ny raharaham-pitsarana teroa Ambatondrafandrana (Antananarivo). Ary rehefa ny raharaha tokony ifandaminana no entina am-pitsarana, ahiana ny tsontsori-mamba isarahana. Tsy maintsy hifamela any aoriana, ary raha mbola kristiana koa tsy maintsy hihavana, fa raha dia diso nifandona loatra ny fomba sy ny riba, ny fampiasana ny anay fa tsy ny antsika, mila fotoana eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina izany.

Nitarika ny olona hanangana Fiangonana tetsy Antsapanimahazo-Antanjona Raseheno sy Raoelina ny taona 1889. Herintaona monja dia vita ilay trano, tsy mahagaga izany fa raha heverina kely fotsiny fa nifanome tànana taminy Ravazaha, sy Ramboafiringa, sy Randriantsolo sy Randriampatsa, sy Ranaivo sns..; tsy ampy toa inona tokoa dia vita izany. Tsy takona afenina mantsy ny tanjak’izy ireo na dia tsy hanome voninahitra an’izany aza ity tantara ity.

Tsy mba voasoratra mazava ho isan’ny mpitandrina teo Antsampanimahazo Raoelina kanefa tsy azo iadian-kevitra ny naha-mpitandrina azy fa raha nodimandry izy nanodidina ny taona 1920 teo amin’ny faha-fitopolon’ny taonany dia izay naha-mpitandrina azy izay no voamarika fa raharahany. Ary ny Andriana Randrianony zanany dia mpitoriteny teo amin’ny Fiangonana Antsapanimahazo. Fiangonana tsy niankina izy ity, saingy tonga tamin’ny fanokanana azy kosa Rainilairivony ka karipetra lava dia lava hatreny Antsakamaina hono no nohitsahina tamin’izany. Mbola nipetraka ihany ilay elanelam-panahy nisy teo amin’izy ireo (tsy akaiky fanjakana fa tsy mpanohitra).

7) Ny ankohonan’izy telo mirahalahy mianaka.

Ireto avy araka ny fantatray, ny vady aman-janak’izy ireo:
Ratsimanohatra sy Rasifotra niteraka an-dRavelobe, Rasaholy, Razafindramiarana, Razanavahy (protestanta), Ratsimanohitra, Rakotovao, Razay.
Raseheno sy Rafara niteraka an-dRajaonisena, Rajaonera, Rasoanoro, Razafy, Razay.
Raoelina sy Raketaka niteraka an-dRandrianony sy Razafindrabodo.

8) Famaranana.

Ny Trafon-kena hono raha ome-mahery dia ny vava omana fa ny am-po kosa mieritra. Tsy misy nilatsaka avy tany an-danitra tokoa na nitrebona tamin’ny tany fa ny olombelona ihany no loharano nipoirana. Araka ny filazan’ireo razana taloha azy na toa tsy hita hozatra tokoa aza isika olombelona, tsy azo kosehina izay nolovaina. Ary hita sy mahatalanjona fa toa miverimberina hatrany ny tantara. Tena niasa tokoa hatrany hatrany ve ny filazantsara? Eny, tena niasa satria ny Tompo Kristy Jesosy ao amin’ny Fanahy Masina dia mbola miasa mandrakariva ary fotoanan’ny fahasoavana izao vaninandro iainantsika izao. Saingy mitaky fanavaozan-tsaina mandrakariva izany ho an’izay voavonjy marina. “Fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina” Rom 12:2b.

RAZAFIARISON Aina Andrianavalona