FPTAF - Ramamba Andriambaventy
Ny Baiboly Masina

Fantatrao ve Ramamba Andriambaventy?

1) Fitarihan-teny

Fifaliana ho anay ny manolotra ho anao tantara fohy ihany izay fantatra ny amin’ny tantaran-dRamamba Andriambaventy, ngezalahy teo amin’ny tantaran’ny taranak’Andriantompokoindrindra sy ny sehatry ny tantaran’ny fiangonana teto Ambohimalaza.

Mety ho lasa saina angamba ny maro hanontany hoe nahoana izy no tsarovana voalohany amin’izao fivoahan’ny takelaka hafatra izao. Tsy nisy lehibe no izy angaha raha samy taranak’Ambohimalaza hatrizay ka hatrizao? Atao ahoana anefa no fanadino no soa vitany 150 taona lasa izay (1863)? Tsy azo lavina tokoa mantsy fa ny birao sy ny maro ao amin’ny komity mpitantan’ny Fiangonana Protestanta Tranovato Ambohimalaza Firaisana dia taranany avokoa ka mety hisy ny alaim-panahy hihevitra fa fiarahaban-tena no anton’izao.

2) Azo ampiasaina amin’ny zava-maro ny tantara

Nisy tokoa mantsy ny fomba tsy dia nahomby loatra fahizany ary zary lasa fahazaran-dratsy tamin’ny sasany - araka ny fitantaran’Andriamifidy mpitandrina azy- dia ny fiadiana laharana sy fanambonian-tena teo amin’ireo foko maro isan-karazany teto Imerina eny fa na dia teo amin’ny samy anatin’ny foko iray aza. Hany ka “noho izany dia samy nifampitsipaka be ihany ny olona, ka samy nanao azy ho ambony noho ny hafa na dia iray foko aza toy ny hoe Andriamasinavalona, Andriantompokoindrindra, (…) Zanadralambo, Tsimahafotsy, Mandiavato sns”. Ny anton’izany dia nankahalaina ny tantara hatry ny taona 1828 nanjakan-dRanavalona I ary notohizan-dRainilaiarivony Praiministra izany, satria nahitany tombontsoa politika ny nampiady ny samy iray foko sy ny foko samihafa. Nanazava tsara izany ny Dr Rasamimanana Joseph tami’ny bokiny. Noho izany, be ny tantara iraisana, - ilay natsoina fahiny hoe “ny manitra iombonana”-, no very, hany ka nanjary fanasohasoana tena sy ny fianakaviana ary fanamarinan-tena no matetika nampiasana ny tantara.

Tsy izany velively ny tantara tian-katao etoana, tsy anamarinan-tena, na ny fianakaviana, na ny FPTAF, na anamboniantena mihoatra noho ny hafa, tsy tantara hampisara-bazana fa tantara ho an’ny olona tena afaka noho ny amin’ny ran’i Kristy, tantara mandrindra fihavanana, isian’ny fifankahazoana (comprehension mutuelle) na dia tsy voatery hitovy fomba fijery aza, tantara mety hampandini-tena koa sy hampivoatra. Koa atao sanatria ao anatin’ny fitsahivana ny tantara, ny handranitra fifampiandaniana na hamaly bontana fihantsiana, fa fizaràna tsotra izay kely nolovaina sy izay norantovina, ary izay vitsivitsy azo nanaovana famakafakana tsotra. Koa alao hery àry, fa ny fiainana tokoa toy ny dian-tàna, todihina ny lasa ary banjinina ny ho avy, hisava ny raviny isika hahita ny fotony.

3) Iza moa RAMAMBA ANDRIAMBAVENTY?

“Ramamba na Andriamamba”: nanontany tena matetika ireo mpikirakira ny vakoka teto Ambohimalaza hoe: Andriamambatiana Andriambaventy tamin’ny andron-dRanavalona I ihany ve no Andriamamba Andriambaventy? Sa olona samy hafa izy ireo? Olona samy nanana ny naha-izy azy izy ireo fa tsy iray tsy akory. Raha notsiahivin’ny Dr Rasamimanana Joseph tao amin’ny boky nosoratany niaraka tamin’ny Andriana Razafindrazaka Louis de Gonzague ny anaran’Andriamambatiana antsoina koa hoe Rainizaka izay avy etsy Ambodizozoro dia tsy niresaka an-dRamamba mihitsy izy ireo.

Ramamba dia teraka faha--Radama I (1810-1828). Isan’ireo 27 mianadahy nianatra voalohany tamin’ny sekoly nosokafan-dRadama teto Ambohimalaza izy raha vao 11 taona monja (tokony ho tamin’ny taona 1824) ary nanatrika ny fanadinandehibe natao ny faha-16 martsa 1826. Hatry ny fahazaza izy dia efa voataiza tamin’ny Soratra Masina sy voavolavolan’ny toe-po krisitiana. Hany ka na tsy miantsy najanona aza ny fianarana teny Ambohimalaza fony Ranavalona I (1828-1861) dia tsy mba nanakana azy sy ireo namany tahaka an-dry Rabevola, Razakandrianary, Rafaralahifotsilahy, Andriamambatiana, Ramboa, Ratsimanohatra sy Raseheno ary Ratsihanta vavy tokana tamin’izy ireo, hiara-mivavaka sy handinika ny Soratra Masina izany. Zava-tsarobidy tsy tokony hadinoina izany fa nanana tokoa ireo ray aman-drenin’ny finoana niasa sy voasedra Ambohimalaza dia ireo voatonona anarana ireo.

Ramamba mihitsy sy Ramatoa Ratsihanta izay nampikariny ho vady no nampiantrano niafina tao aminy tao Ambohijatovo ny fiaraha-mivavak’ireo kristiana voalohany teto Ambohimalaza. Finoana tsy mba nateraky ny filan-javatra na ny fitadiavam-boninahitra ny azy ireo fa tena mampiharihary ny faharesen-dahatra sy ny firehetam-pon’izy mivady. Tokantrano kristiana ny azy mivady, nisian’ny fifampitezana sy fifankaherezana tamin’ny finoana sady niasa ho Azy tompon’ny finoany.

4) Ny asan'ny finoana sy asam-pitondrana nifaningotra tamin'ny tantaran'Ambohimalaza.

Rehefa niamboho Ranavalona I (1861) ka nisokatra indray ho an’ny fivavahana kristiana i Madagasikara dia Ramamba sy Ratsihanta no nitarika ny vahoakan’Ambohimalaza hiara-mivavaka teny Antampon’Ambohimalaza, tamin’izay no nananganany ilay trano zozoro niangonana voalohany, vita rindrina biriky tany nisy varavarana ny taona 1863. Tsinjo avy hatrany tao anatin’izany fa nanana ny lanjany teo Ambohimalaza Ramamba mivady ary miharihary ny anton’izany. Ny voalohany dia isan’ireo mpianatra voalohany teny Ambohimalaza izy, ary nahasahy nanao fotoam-pivavahana miafina tao antokatranony tamin’ny nampafana vay ny fanenjehana ka raha niverina tamin’ny fahafahany ny fivavahana kristiana dia tsy azo niodivirana mihitsy izy satria nijoro ho andry niankinana tao anatin’ny sarotra. Tsy izany ihany anefa fa olona nalady havanana tao an-dRova izy ka tsy azo nialohava-mandeha fa akaikin’ny Mpanjaka sy henoin’ny mpitondra. Tamin’ireny fotoana niorenan’ny Fiangonana voalohany tao antampon’Ambohimalaza ireny indrindra, faha-Rasoherimanjaka (1863) no notendrena ho Andriambaventy izy sady solo-tenan’ny Andriantompokoindrindra tao anaty Rova.

Zava-maro tsy afa-misaraka tao anatin’ny tontolom-pitondrana sy ny fivavahana no indray natrehana sy nozakain-dRamamba tamin’izany. Mifono hevi-dalina ny fihezahany hametraka ilay fiangonana voalohany teo Antampotananan’Ambohimalaza, satria tsy miafina tamin’ireo mpitahiry ny hanitra nentin-drazana tamin’izany, fa tanin’ny terak’Andriandambo zanaka lahiaivon’Andriantompokoindrindra Antampon’Ambohimalaza ka Andriamampianarivo zafin’ity Andriandambo ity, no nanao ny hadivory nanodidina azy fahizany fony Ikakibe Andriambelomasina (zafin’Andriamasinavalona) nanjaka tao Ambohimanga tamin’ny Avaradrano ( tokony ho tamin’ny taona 1730-1770) .

Tsy niafina tamin’izy ireo koa fa nanana tombom-pitia tamin’ny Mpanjakavavy ireo terak’Andriandambo ireo satria havany akaiky ireo, fa izy koa mba isany.

Rabodomanjaka izay zanak’Andriamampianarivo mantsy dia tsy iza fa reniben-dRanavalona I ka Rasoherimanjaka dia tena teraky ny lahiavon’Andriantompokoindrindra mivantana. Izany hoe raha eo Ambohimalaza dia Antampontanàna ny fiavian’ny razany. Tsy kisendrasendra raha toa ka Ramamba no notinendriny ho solotenan’ny Andriantompokoindrindra, fa ankoatry ny fahiratan-tsainy dia nanan-danja tao ny rohim-pihavanana, sy ny fototra niraisana nisy teo amin’Ambohijatovo sy Antampon’Ambohimalaza. Tsy anjoanjo ihany koa raha toa ka nifidy an’Antampontanàna izy mba hizaka sy hisitraka ilay Fiangonana voalohany. Ary tsy zava-mahagaga mihitsy raha nanan-tany teo Ambohijatovo sy Antampony Ramamba.

Na tsy mpitandrina aza Ramamba satria tsy afaka nanao izany izy noho ireo andraikitra maro nosahaniny, - matetika izy no tao Antananarivo-, dia tsy nitandro herimpo sy fitiavana izy tamin’izany Fiangonana niorina izany ka nanao izay ho afany tamin’ny anjara fanompoana tandrify azy.

5) Ny Fianakaviany.

Rehefa nodimandry Ratsihanta ny taona 1864, dia Rasoanambo zana-drahalahy sy taizan-dRatsimanohitra velondraiamandreny Talasora no nampiakariny ho vady. Tsinjo avy hatrany indray ny anton’izany dia noho i Dadanohitra kristiana mafana fo sady manamboninahitra lehibe tao anaty Rova (tonga 15 vtra), hany ka samy akaikin’ny mpitondra izy miarahalahy ka azo antoka fa nisy soatoavina nampiray azy ireo,

Maro anaka Ramamba, ireto no zanany tamin-dRatsihanta: Randrianary, Randianina, Ramahiraka, Rasoavelo, Ravelinanahary. Ny zanany tamin-dRasoanambo kosa dia Razafimahefa pasitera sy Randriamahefa mirahalahy.

Tamin’ny taona 1880 raha notokanana ny Fiangonana tao Anatirova faha- Ranavalona II, dia Ramamba (izay efa zokinjokiny ihany) sy Razakavahy no solo-tenan’ny Andriantompokoindrindra tamin’izany. Tsy manaitra intsony angamba ny manamarika etoana fa taranak’Andriamampianarivo zafin’Andriandambo mivantana koa Razakavahy fa ireo no akaikin’ny Mpanjakavavy. (Ampahatsiahivina ihany ho an’izay tia mandalina tetiarana fa ny Mpanjakavavy telo Ranavalona I, Rasoherina, Ranavalona II dia taranak’Andriantsimitovizafinitrimo zanak’Andriambelomasina Mpanjaka tamin-dRabodomanjaka zanakavavin’Andriamampianarivo avokoa).

6) Efa hatrizay ny olan'ny ady laharana saingy azon'ny olon'afaka, mivoatra ara-tsaina sy ara-panahy ihoarana izany.

Tsy dia nahafaly loatra ny razantsika hafa tamin’izy samy terak’Andriantompokoindrindra akory izany. Fa nahoana moa hoy ny hafa, no tsy ny terak’Andriambe teraky ny lahimatoan’Andriantompokoindrindra no solo-tena? Ambohidrakitra no ivony, ary taranany koa Ambohitrandriana sy Antehikiady sy ny hafa teny Ambohimalazabe sns. Nahoana moa no tsy izy ireo no nitarika ny fananganana ny Fiangonana? Mahagaga ve raha nizara efatra ny fiangonana taty aoriana? Telo hoy ny maro, efatra hoy izahay satria ireo katolika teto Ambohimalaza tany amboalohany, dia tena zanaky protestanta mivantana, eny na dia Ramatoa Ratsaraibe Victoire, andry niankinan’ny finoana katolika teto Ambohimalaza aza. Indrindra moa raha hilaza an’izy miarahalahy zanaky ny Andriana Andrianambahy anadahin-dRatsaraibe: ny dokotera Rasamimanana sy Razafindrainibe goverinora, fianakaviana nitarika ireo katolika tetsy Ambanitanana sy Antanatsara taty aoriana, samy mpianatry ny misiona protestanta talohan’ny naha-katolika azy izy ireo.

7) Samy manan-jo ny foto-kevitra roa toa mifanohitra, izay ilay dialektika.

Mifanatrika ny foto-piheverena roa: niankina sa tsy niankina tamin’ny misiona ny Fiangonana protestanta teto Ambohimalaza, loharanon’ny ankehitriny? Miankina hoy ny andaniny, mazava izany ary tsy azo iadian-kevitra ny asan’ny LMS teto sy ny misiona MPF niantsoroka ny Fiangonana hatry ny ela. Tsy miankina hoy ny ankilany, fiheverana marim-pototra tsy azo disoina koa anefa izany, tsy azo heverina fa olan-tsain-dRamamba sy ny namany izay efa zatra nivavaka irery tsy nana-misionera ny nitarika ny fiangonana, tao anatin’ny foto-pisainan’ny ketsa mahafehy tena. Tsy manaitra mihitsy ilay fomba fijery tsy miankina nisy teo amin-dRaseheno izay niara-nivavaka niafina tamin-dRamamba sady mpitandrina voalohany teo Antsampanimahazo. Ny tena tranga tsy azo ihodivirana kosa anefa dia ny fihezahan’ny fanjakana malagasy fahizany hiahy ny fiangonana tahaka ny natao tamin’ny fiangonana tany Angletera ary raha izay kosa dia tafiditra tanteraka tao anatin’izany Ramamba Andriambaventy satria akaikin’ny Mpanjaka sy ny praiministra Rainilaiarivony izy.

8) Famaranana: ny asany sy ny fanompoany no Hasin-dRamamba.

Namela tandindona miezinezina teo amin’ny tantaran’Ambohimalaza Ramamba Andriambaventy. Nanao izay ho afany tao anatin’ny fijery sy fihevitra tsy nitovy izy sy tao anatin’ny ady laharana izay nolalaovin’ny Praiministra Rainilairaivony. Olombelona ihany koa izy anefa, fa ny zava-dehibe tsaroana etoana dia ny fahalehibeazana izay nomen’Andriamanitra sy ny olona azy noho ny finoany sy ny fijoroany ary ny fanompoany hatry fony izy vao zaza fa tsy noho ny fifampiandaniana.

RAZAFIARISON Aina Andrianavalona