FPTAF - Fakam-panahy
Ny Baiboly Masina

Ady amin'ny fakam-panahy

Matio 4 : 1  “Ary Jesosy dia nentin’ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain’ny devoly fanahy”
Telopolo taona teo ho eo Jesosy raha natao batisa (Lioka 3:23). Nentin’ny Fanahy nankany an’efitra Izy raha vao vita batisa mba halain’ny devoly na Satana fanahy.
Nilaina ny nandalovan’i Jesosy fakam-panahy izay mpahazo ny olombelona rehetra, mba hahatonga Azy, izay tsy nanana ota, ho olona tokoa (Hebreo 2:17-18; 4:14-15). Avelan’Andriamanitra i Satana haka fanahy sy hitsapa antsika tsirairay mba hahatonga ny finoantsika hiorina tsara sy ho voadio (I Petera 1:6-7). Karazana fakam-panahy roa no asehon’ny Testamenta Vaovao : Voalohany, ny fijaliana sy ny korontana avy ety ivelany; ary faharoa dia ny faniriana avy ao anaty izay mitarika antsika hanota. Ity karazana fakam-panahy avy ao anaty ity no tena resahin’i Matio eto amin’ity andininy ity. Tsy maka fanahy antsika hanota velively Andriamanitra. Satana no maka fanahy antsika hanota, ary amin’ny alalan’ireo fanirian-dratsy ao anatintsika no anaovany izany (Jakoba 1:13-14). Tsy mba nanana fanirian-dratsy na filàna Jesosy; na izany aza anefa tsy maintsy nitondra Azy tany an’efitra ny Fanahy mba halaim-panahy Izy. Tsy fahotana ny alaim-panahy fa ota kosa ny filatsahana ao anatin’ny fakam-panahy (Manaiky ny fakam-panahy, izany hoe manota no dikan’ny hoe latsaka ao anatin’ny fakam-panahy eto). Tsy latsaka tamin’izany anefa Jesosy.
Nalain’ny devoly fanahy Jesosy raha vao vita batisa. Zavatra miseho eo amin’ireo kristiana maro koa ny toy izany. Raha vao miala eo ambany fahefan’ny devoly isika ka miditra am-pinoana ho isan’ny ankohonan’Andriamanitra, dia tezitra mafy amintsika ny devoly ary mamely antsika; ataony izay hisintonana antsika ho eo ambany fahefany indray. Fomba iray lehibe ahafahantsika manohitra ny famelezan’ny devoly ny fahazoana antoka fa efa zanak’Andriamanitra isika. Talohan’izao nakana fanahy an’i Jesosy izao dia hoy Andriamanitra Taminy : “Ity no Zanako” (Matio 3:17). Nidina nankeo amboniny ny Fanahy (Matio 3:16). Ary feno ny Fanahy Masina Izy raha nandeha tany an’efitra (Lioka 4:1). Rehefa manoloana fakam-panahy isika, dia tokony hahatsiaro lalandava fa efa zanak’Andriamanitra, ary tokony hivavaka mba ho feno ny Fanahy tahaka an’i Jesosy, ka handresy an’i Satana. 

Matio 4 : 2  “Ary nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana”
Nifady hanina nandritra ny efapolo andro Jesosy talohan’ny nakan’ny devoly fanahy Azy. Izany dia marik’ilay efapolo taona nitsapana ny Jiosy tany an’efitra Sinay rehefa niala avy tany Egypta izy ireo (Eo anelanelan’i Egypta sy Isiraely no misy ny efitr’i Sinay. Taorian’ny nanafahan’Andriamanitra ny Jiosy (ny firenen’Isiraely) tamin’ny fanandevozana tany Egypta dia nandehandeha tany an’efitra nandritra ny efapolo taona izy ireo vao tonga tany amin’ny tany efa nomanin’Andriamanitra ho azy ireo. Tsy iza izany tany izany fa Isiraely ankehitriny). Toy ny nakàna fanahy an’ireo Jiosy olom-boafidin’Andriamanitra (Deoteronomia 8:2) no nakana fanahy an’i Jesosy koa. Tsy mba latsaka tao anaty fahotana toy ireo Jiosy anefa Izy.
Mitovy amin’ireo fakam-panahy telo nahazo an’i Adama sy Eva, olombelona voalohany, ireo fakam-panahy telo voalaza amin’ity fizarana ity (Genesisy 3:1-6). Tsara ho fihinana, mahafinaritra ny maso ary mahatsiriritra hampahahendry (Genesisy 3:6) ilay voankazo nohanin’i Adama sy Eva izay nandrarana azy.
Mitovy amin’ireo fakam-panahy telo volazan’ny I Jaona 2:16, dia ny filan’ny nofo, ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao koa ireo fakam-panahy telo ambaran’i Matio eto.

Matio 4 : 3  “Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe : Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto”
Nataon’i Satana mpaka fanahy aloha izay hampisalasala an’i Jesosy ny amin’ny maha Zanak’Andriamanitra Azy. Hoy i Satana tamin’izany : “Raha Zanak’Andriamanitra hianao, asehoy izany. Manaova fahagagana. Noana izao Hianao satria tsy nisakafo nandritra ny efapolo andro. Ataovy tonga mofo ireto vato ireto (mofo ny foto-tsakafon’ny olona any Moyen Orient).”
Nanana ny hery hanovana ny vato ho tonga mofo Jesosy. Nalain’i Satana fanahy Izy hampiasa ny heriny mba hampiadana ny nofony. Nahoana tokoa moa Jesosy no tsy maintsy niaritra ny hanoanana sy ny fijaliana? Tsy tokony ho nandalo izany Izy. Tonga tety ambonin’ny tany anefa Jesosy mba hijaly ary hanolotra ny ainy ho antsika (Marka 10:45). Raha mbola teo ambony hazofijaliana Jesosy dia hoy ireo mpaneso Azy : “… Vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin’ny hazofijaliana” (Matio 27:40). Mitovy tsy misy valaka amin’ny fakam-panahy hanovana ny vato ho tonga mofo ny fakam-panahy hidinana hiala eo amin’ny hazofijaliana. Ary satria resin’i Jesosy i Satana tany an’efitra dia efa tsara omana koa Izy handresy an’i Satana eo ambony hazofijaliana.
Mifanandrify amin’ilay filan’ny nofo voalazan’i Jaona ity fakam-panahy voalohany ity (I Jaona 2:16). Tsara ho fihinana ilay voankazo nohanin’i Adama sy Eva izay nandraràna azy (Genesisy 3:6).

Matio 4 : 4  “Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe : Voasoratra hoe  : Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra (Deo 8:3)”
Nandresy an’i Satana Jesosy raha nanonona ny tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Deoteronomia 8:3. Ity andininy ity dia mikasika indrindra ny namahanan’Andriamanitra an’ireo Jiosy mosarena tany an’efitra, tamin’ilay sakafo manokana avy any an-danitra (antsoina hoe “mana”), mba hanehoana amin’izy ireo fa Andriamanitra irery ihany no tsy maintsy itokisany ary ny Teniny irery ihany no ivelomany (Eksodosy 16:1-8,13-16,31). Tsy ny fihinanan’ny olona vary na mofo ihany no hahavelona azy ara-panahy. Ilain’ny olona ny sakafom-panahy, izay tsy inona fa ny Tenin’Andriamanitra (Jaona 6:30-35,48-51).
 Mankatò ny Tenin’Andriamanitra no atao hoe mivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra. Manaiky ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fiainana koa no azo handikàna azy. Andeha tsy himonomonona amin’izay “sakafo” omen’Andriamanitra antsika isika. Nimonomonona tamin’ireo mana avy tany an-danitra nomena azy ny Jiosy tany an’efitra, ary vokatr’izany dia namely azy ireo tamin’ny kapoka mafy indrindra Andriamanitra (Nomery 11:4-6,31-34).

Matio 4 : 5-6  “Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin’ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly, dia nanao taminy hoe : Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe : Izy handidy ny anjeliny ny aminao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao (Sal 91:11,12)”
Ary nentin’i Satana ho eny an-tampon’ny tempoly tao Jerosalema Jesosy, dia nolazainy hoe : “Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any”. Dia nampiasain’i Satana izay voalazan’ny Salamo 91:11-12 handresena lahatra an’i Jesosy mba hitsambikinany. Tsy nampiasain’i Satana araka ny tena izy anefa izany andininy tao amin’ny Salamo izany. Marina ny teny fampanantenana voasoratra ao amin’ny Salamo manao hoe : “hiaro antsika tokoa ny anjelin’i Jehovah”. Tsy azontsika ampiasaina angatahana fiarovana amin’Andriamanitra kosa anefa izany teny fampanantenana izany amin’ny fotoana tsy anaovantsika ny sitrapony. Mora tokoa ny mampiasa ny Soratra Masina amin’ny fotoana tsy tokony ampiasana azy. Ny fampiasana ny Soratra Masina tsy feno na tsy araka ny tokony ho izy dia mandiso tanteraka ny dikany, ka tokony hitandrina isika mba hisorohana izany.
Ity fakam-panahy faharoa ity dia natao hanehoan’i Jesosy ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy tamin’ny nanaovany asa mahagaga. Mahazo dera avy amin’ny tsirairay Izy rehefa manao fahagagana. Mety ho toy ny mpanjaka ny fijerin’izao tontolo izao sy ny olona Azy. Ny sain’i Jesosy no lasibatry ny fakam-panahy teto. Izany dia mifanaraka amin’ny filan’ny maso izay voalaza ao amin’ny I Jaona 2:16. Nahafinaritra ny maso ilay voankazo nandraràna an’i Adama sy Eva tsy hohaniny (Genesisy 3:6).
Tsy nirahina tety amin’izao tontolo izao ho mpanjaka ety an-tany anefa Jesosy. Tsy nirahina tety amin’izao tontolo izao hanovo voninahitra avy amin’olombelona Izy (Isaia 53:3; Filipiana 2:6-8). Nirahina tety kosa Izy mba hijaly sy ho faty noho ny fahotantsika. Noho izany, nilain’i Jesosy ny nandà ny fakam-panahy novelarin’i Satana teo anoloany.

Matio 4 : 7  “Hoy Jesosy taminy : Voasoratra hoe koa  : Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao (Deo 6:16)”
Nampiasa ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia 6 :16 indray Jesosy ho enti-mandresy an’i Satana. Mifanaraka amin’ny fotoana nangatahan’ny Jiosy famantarana ny amin’ny fanatrehan’Andriamanitra azy tany an’efitra ity andininy ity (Eksodosy 17:1-7). Tsy naka fanahy na nitsapa an’Andriamanitra tsy akory Jesosy raha nangataka Azy hanao fahagagana mba hanaporofoana fa Jesosy no Mesia (Ny tiana ambara amin’ny hoe “maka fanahy” na “mitsapa an’Andriamanitra” eto dia mitsapa Azy amin’ny fomba manery mba ahazoana zavatra avy aminy). Torak’izany koa, tsy tokony haka fanahy an’Andriamanitra isika ka hanery Azy haneho famantarana manokana (Marka 8:11-12).

Matio 4 : 8-9  “Ary ny devoly nitondra Azy indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny, dia nanao taminy hoe : Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.”
Ny fakam-panahy fahatelo nahazo an’i Jesosy no lehibe indrindra. Nampanantena i Satana fa hanome an’i Kristy ny fahefana amin’ny fanjakana rehetra eto amin’izao tontolo izao. Nanana ny hery hanatanterahana izany i Satana, satria izy no andrianan’izao tontolo izao (Jaona 12:31; 14:30). Ary izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa (I Jaona 5:19). Noho izany, azon’i Satana notanterahina mora foana izay nampanantenainy an’i Jesosy, ka mety ho lasa mpanjakan’ny mpanjaka tety an-tany Jesosy. Mety ho azony tokoa izao tontolo izao. Tokana ihany anefa ny fepetra ahatanteraka izany : i Satana no tsy maintsy hiankohofan’i Jesosy fa tsy Andriamanitra.
Ny fakam-panahy fahatelo dia ny fakam-panahy mampirehareha. “Rehaka momba izao fiainana izao” no ilazan’ny I Jaona 2:16 azy; ary mifanandrify amin’ilay faniriana hitovy amin’Andriamanitra (Genesisy 3:5) sy hahazo fahendrena (Genesisy 3:6). Mety ho azon’i Kristy mora foana (tsy tamin’ny fijaliana na ny fiezahana) ny fahendrena sy ny hery ary ny fahefana rehetra teto amin’izao tontolo izao; ary mety ho niankohoka teo an-tongony ny olona rehetra. Nolavin’i Jesosy anefa izany tolotr’i Satana izany.
Matio 4 : 10  “Fa hoy Jesosy taminy : Mandehana hianao ry Satana, fa voasoratra hoe : Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo 6:13)”
Nandresy an’i Satana fanintelony tamin’ny fampiasana ny tenin’Andriamanitra indray Jesosy. Ny Deoteronomia 6:13 no nampiasainy tamin’ity indray mitoraka ity. Ny fotoana nanaovan’ny Jiosy sary omby volamena ka niankohofany tamin’izany fa tsy tamin’Andriamanitra no resahin’ity andininy ity (Eksodosy 32:1-6). Andriamanitra irery ihany no tokony hiankohofan’ny olombelona (Eksodosy 20:3-6).
Nasehon’i Jesosy tamin’ireo fakam-panahy ireo fa azo ampiasaina ho fiadiana handresena an’i Satana sy hanoherana ny fakam-panahy ny tenin’Andriamanitra. Ny tenin’Andriamanitra no sabatry ny Fanahy (Efesiana 6:17), ary iray amin’ireo fiadian’ny Kristiana. Raha manohitra an’i Satana isika dia handositra antsika izy (Jakoba 4:7). Rehefa tonga ary ny mpaka fanahy dia andeha hataontsika toy izay nanaovan’i Jesosy azy hoe : « Mialà amiko hianao ry Satana ! ».

Matio 4 : 11  “Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy ”
Dia nandao Azy ny devoly. Nefa tsy ho mandrakizay. Araka ny Lioka 4:13, dia nandao an’i Jesosy Satana aloha. Izany hoe : mandra-pahatongan’ny fotoana hafa indray. Fantatsika fa mbola naka fanahy an’i Jesosy indray i Satana tao an-tsahan’i Getsemane sy teo ambony hazofijaliana (Marka 14:32-35; 15:30-32). Eny fa niteny tamin’ny alalan’i Petera izay filohan’ny mpianatr’i Jesosy mihitsy aza i Satana mba hakana fanahy an’i Jesosy handà ny hazofijaliana (Marka 8:31-33).

Matio 6 : 13  “Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy”
Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy. Ny dikan’ny hoe “entina ho amin’ny fakam-panahy” eto dia : resin’i Satana, lavo amin’ny ota, tafasaraka amin’Andriamanitra. Tsy ilay karazana “fitsapana” izay avelan’Andriamanitra handalo eo amin’ny kristiana rehetra mba hizahan-toetra ny finoany (I Petera 1:6-7) akory ny teny hoe “fakam-panahy” ampiasaina amin’ity andininy ity. Ireny karazana fitsapana na fizahan-toetra izay mampahatanjaka ny finoantsika ireny dia ampandalovina eo amin’ny fiainantsika mba hahasoa antsika. Tokony hifaly sy hisaotra an’Andriamanitra isika rehefa ampandaloviny amin’ireny (Jakoba 1:2).
Hafa kosa ny hevitry ny teny hoe “fakam-panahy” amin’ity andininy ity. Mampianatra antsika Jesosy eto hivavaka mba tsy ho latsaka ao anatin’ilay fakam-panahy farany isika, dia ilay fakam-panahy hiodina amin’Andriamanitra. Tokony ho vavaka ataontsika mandrakariva ny hoe : “manafaha anay amin’ny ratsy”. Ny devoly dia tahaka ny liona mierina mitady izay harapany (I Petera 5:8). Hiaritra ny fizahan-toetra mafy indrindra ny kristiana amin’ny andro farany, mialohan’ny fiverenan’i Jesosy. Maro no hihemotra. Amin’izany andro izany dia ilain’ny kristiana ny manao ity vavaka ity mihoatra noho izay efa nataony.
Ny fiafaran’ny vavaka nampianarin’ny Tompo dia toy ny fanombohany : fiderana an’Andriamanitra. Maro ny sora-tanana amin’ny teny Grika ahitana ny teny hoe : “Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amen”. Ny dikan’ny teny hoe “Amen” dia “ho tanteraka anie izany”. Maneho ny finoantsika izany fa manaiky ary hamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra.

Marka 9 : 42  “Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin’ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy”
Fahotana lehibe eo anatrehan’Andriamanitra ny manao izay mahatafintohina na mampanota ny rahalahy. Ny dikan’ny hoe iray amin’ireo madinika dia izay manetry tena, izay mpanompon’i Kristy tahaka ny zaza. Angamba ny mpianatra mety ho nanafintohina na nampanota an’ilay olona nandroaka demonia (and 38). Mety ho nanakivy azy izy ireo tamin’ny toe-po nitsaratsara azy ka nampiala azy hanalavitra an’i Jesosy. Tsarovy tsara izany fampitandremana izany, ary aoka isika hitandrina fatratra mba tsy hanao na inona na inona mety hanafintohina ny rahalahintsika na hahatonga azy hanota (Romana 14:13,21). Rehefa manao zavatra mahakivy ny rahalahintsika isika na mitaona azy ho amin’ny fakam-panahy, dia miteraka fahatafintohinana ho azy izany ary mahatonga azy hanota. Ny olona izay miteraka fahatafintohinana ho an’ny hafa toy izany hatrany dia tsara raha hatsipy any anaty ranomasina, satria ho faizin’Andriamanitra amin’ny ratsy nataony izy amin’ny andro fitsarana.

Marka 9 : 43  “Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ny helo, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina”. 
Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy. Ny tian’i Jesosy nolazaina tsy hoe tokony alaintsika tokoa ny antsy dia hotapahantsika ny tanantsika. Fitaovana ampiasain’ny ota ihany ny tanana, fa ny ota ao am-pontsika mihitsy no mila tapahana. Raha te-hangalatra isika, tsy ny tanantsika no ratsy fa ny fontsika. Koa tsy maintsy ataontsika izay tokony atao rehetra mba hanesorana izany ota sy fanirian-dratsy avy ao am-pontsika izany. Tahaka ny mpandidy manapaka tanana na tongotra misy aretina mba hamonjena ny fiainan’ilay marary, no tokony hanapahantsika koa ny ota eo amin’ny fiainantsika mba hamonjena ny fanahintsika. Tsy maintsy vonona hahafoy izay zavatra tena mamintsika indrindra isika raha toa izany ka mitarika antsika hanota.
Mety harary toy ny tapahan-tongotra na tapahan-tanana ny hanalana ny ota ao am-pontsika (an 45). Tsy maintsy ataontsika anefa izany raha te-hiditra any amin’ny fiainana isika, dia ny fiainana miaraka amin’Andriamanitra any an-danitra. Tsy azontsika atao ny mitondra ota miaraka amintsika mankany amin’ny fanjakan’Andriamanitra (Matio 5:29-30; Romana 8:13; 13-14; Kolosiana 3:5-6; Apokalypsy 21:27).

Marka 9 : 44-48  “Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ny helo, dia any amin’ny afo. Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny helo; any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina” 
Mamerina izany fampianarana izany indray Jesosy eto ka raisiny ho ohatra ny tongotra sy ny maso, izay rantsana mahatafintohina eo amin’ny tena. Raha ny tongotra no mahatonga antsika hiala amin’i Kristy handeha amin’ny lalan-diso, tapaho izy. Raha ny maso no mahatonga antsika hila vehivavy, hijangajanga, esory hiala izy (Matio 5:29-30). Izany hoe tokony hataontsika izay azo atao mba hanesorana izany ota izany eo amin’ny fiainantsika.
Nampianatra mazava tsara Jesosy fa toerana ratsy dia ratsy ny helo. Any no misy ny fampijaliana mandrakizay, ny afo tsy mety maty, ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify (Matio 13:40-42)
Mamerina ny Isaia 66:24 Jesosy eo amin’ny andininy faha-48. Any ny kankany tsy maty. Mandrakizay ny fandringanana sy ny fanimbana ireo izay alefa any amin’ny helo.
Satana izay tena fahavalontsika no mpandringana antsika, ary ny ota no fitaovana ampiasainy amin’izany. Noho izany, azo lazaina ihany koa fa ny ota no tena fahavalontsika. Ny ota tsy ibebahana dia mampisaraka mandrakizay amin’Andriamanitra sy amin’ny lanitra.
Satria ny ota no fahavalo manameloka antsika ho any amin’ny helo, dia tsy tokony avelantsika hitoetra eo amin’ny fiainantsika. Raha miditra ao amintsika mantsy ny ota ka mitoetra ao dia hanapotika antsika. Tsy tokony avelantsika hitoetra eo amin’ny fiainantsika na dia ny ota kely bitika indrindra aza. Na dia ny lavaka kely indrindra amin’ny sambo aza dia hahatonga ny sambo ho feno rano ka hampilentika azy amin’ny farany. Tahaka izany koa, raha misy ota kely fotsiny avelantsika eo amin’ny fiainantsika dia hitombo izany ary ny hiafarany dia hanapotika antsika.

Marka 13 : 32-37  “Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afatsy ny Ray ihany. Mitandrema, miambena, miareta tory ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana. Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara. Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa : miambena ”
Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala; Andriamanitra irery ihany no mahalala ny fotoana hiverenan’i Kristy indray. Na i Kristy aza tsy mahalala. Noho izany, tokony ho vonona mandrakariva isika. Mety ho avy anio, na rahampitso Jesosy. Hatory ve no hahitany antsika? Ho mahatoky ve isika?
Maro ny kristiana mandany andro miezaka mamantatra ny fotoana hiverenan’i Kristy. Fahadalana izany! Tsy aleo ve laniana amin’ny asa nampanaovin’i Kristy ny fotoana toy izay hieritreretana ny amin’izay fotoana hiverenany.
Tahaka ny olona nandeha nivahiny i Kristy. Lasa nankany an-danitra izy ary navelany eo am-pelantanantsika ny tranony, dia ny fiangonany izany. Samy notolorany ny raharahany manokana avy isika tsirairay. Tsy izany ihany fa nametrahany andraikitra hivavaka sy hiambina ary hijoro ho vavolombelona isika rehetra. Hiverina ety an-tany tahaka ny mpangalatra Izy, izany hoe, amin’ny fotoana tsy ampoizina (Matio 24:42-44; Lioka 12:35-38; I Tesaloniana 5:1-2). Hanao inona no hahitany antsika ? Aoka isika tsy hilaza hoe: “Tsy hiverina vetivety Izy. Mbola manana fotoana hiomanana aho. Hatory kely aho aloha. Amin’ny fotoana hafa aho mijoro ho vavolombelona amin’iny olona iny. Amin’ny andro hafa aho manao asa soa. Rahampitso aho miala amin’ity ota fanaoko ity. Rehefa falifaly aho mamela heloka.”. Aoka isika tsy hanao fahadisoana lehibe toy izany. Amin’ny fotoana tsy ampoizina no ahatongavan’i Jesosy, koa ho laviny isika raha tsy mbola vonona no ahitany antsika sady tsy manao ny sitrapony (Matio 24:45-51; Lioka 21:34-36).
Ny dikan’ny hoe miambina hatrany (and 35) dia mitoetra ao anatin’ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra. Toy ny miandrandra ny fiavian’i Kristy ny ampitso no tokony ho fiainantsika isan’andro. Mba hitsapana hoe mby aiza ny fahavononantsika dia tokony hanontany toy izao amin’ny tenantsika isika : raha misy anjely avy any an-danitra milaza amintsika androany fa ho avy amin’ny herinandro ambony, na amin’ny volana ambony Kristy, hovantsika ve ny fomba fiainantsika ? Raha “eny” ny valiny dia tsy niambina izany isika, na tsy mbola vonona. “Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa : Miambena!”

Marka 14 : 37-38  “Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin’i Petera : Ry Simona, matory va hianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va hianao? Miareta tory hianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery ”
Resin-tory ny mpianatra raha mbola nivavaka Jesosy. Tokony ho niari-tory niaraka taminy sy nivavaka ho Azy sy ho an’ny tenany ireo mpianatra ireo mba tsy ho tonga tampoka amin’izy ireo i Satana. Taona maro taty aoriana tokoa dia nampitandrina ny kristiana i Petera ao amin’ny epistily nosoratany fa toy ny liona mierona mitady izay harapany i Satana; ka tokony hahonon-tena sy hiambina izy (I Petera 5:8). Resin-tory tao amin’ny sahan’i Getsemane anefa i Petera, ka ho lasa hazan’i Satana aoriana kely (and 66-72). Tsy i Petera ihany fa ny mpianatra hafa rehetra no nandao Azy ka nandositra (and 50).
Hatraminizao Jesosy dia tsy mitsahatra milaza amin’ny mpino tsirairay manao hoe “Miareta tory hianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy” (Matio 6:13). Impiry moa isika no matory ara-panahy, na dia tsy matory aza ny vatantsika? Impiry isan’andro isika no mivavaka? Impiry isika no mieritreritra an’i Jesosy?  Tsy maintsy miari-tory sy mivavaka isika mba handresentsika an’i Satana. Ny fanahintsika manaiky hiari-tory miaraka amin’i Jesosy fa ny nofontsika no malemy (and 38). Na i Petera  sy Jakoba ary Jaona izay mpanarato nandany alina maro tsy natory teny ambonin’ny sambony teny amin’ny ranomasin’i Galilia aza dia tsy nahavita niari-tory niaraka tamin’i Jesosy. Nilaza izy ireo fa hiara-maty aminy (and 31); kanefa rehefa tonga tokoa ny fitsapana dia tsy nahavita niari-tory niaraka tamin’i Jesosy akory izy ireo na dia ora iray monja aza. Marina ny fitenenana hoe : moramora kokoa ny maty ho an’i Jesosy noho ny velona ho Azy.

Lioka 21 : 33-36  “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra ety ambonin’ny tany rehetra izany. Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona ”
Milazalaza ny amin’ireo famantarana mialohan’ny fahataperan’izao tontolo izao Jesosy amin’ity toko ity, ka amin’izany fotoana izany no hiverenany indray. Mampahery antsika Izy amin’ity fizarana ity mba hiambina. Tsy fantatsika izay tena fotoana hiverenany, ka tokony hitoetra tsara isika, ho vonona amin’ny fotoana rehetra (Marka 13:32-33)
Mampahafantatra antsika mialoha ary Jesosy ka manao hoe : “Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny ahiahin’izao fiainana izao”. Fa ho avy tampoka tahaka ny niverenan’ilay tompo tamin’ny diany no fiavian’i Kristy fanindroany. Inona no ho hitany ataon’ny mpanompony ? Koa amin’izany, aoka isika hifoha fa tsy hatory; aoka isika hikely aina amin’ny asa izay nomen’i Jesosy antsika. Ho avy amin’ny fotoana tsy ampoizina Izy (Matio 24:48-51; Marka 13:34-37; I Tesaloniana 5:4-8)
Tsy ny fahalalana ny fotoana hiverenan’i Jesosy no zava-dehibe. Raha ny tena izy dia tsy anjarantsika ny hahalala ny andro na ny fotoana (Asan’ny Apostoly 1:7). Ny fahavononantsika amin’ny fotoana rehetra no tena zava-dehibe. Tsy ho avy amintsika toy ny fandrika izany andro izany raha miambina mandrakariva isika ary vonona hatrany.
Fa hihatra amin’izay rehetra ety ambonin’ny tany (na ny mpino na ny tsy mpino, na ny Jiosy na ny Jentilisa) izany andro hiverenan’i Kristy amin’ny fitsarana izany.
Hisy fanenjehana mahatsiravina amin’izany andro izany, ary maro no hihemotra (Matio 24: 10-12). Tsy maintsy mivavaka isika mba tsy ho azon’ny fakam-panahy hiverin-dalana, hiala amin’ny finoana, na handà an’i Kristy. Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena (Marka 13:13). Izay manana finoana miorina mafy irery ihany no afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’Olona amin’izany andro fitsarana izany (Hebreo 10:35-39)
Nampianatra tao amin’ny tempoly isan’andro Jesosy nandritra izany herinandro farany tao Jerosalema izany. Nandao ny tanàna isan-kariva Izy ka nandany ny alina tany an-tanànan’i Betania, izay teo an-tendrombohitra Oliva, ivelan’i Jerosalema (Marka 11:1, 11).

Romana 12 : 21  “Aza mety ho resin’ny ratsy hianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy ”
Ny manodidina antsika dia ratsy avokoa, ka indraindray ny kristiana dia kivy ary resin’ny ratsy. Mijaly izy ireo noho ny ataon’ny ratsy fanahy, ka indraindray dia miantsoantso hoe : “tsy tantiko izao!” Mihamalemy ny finoany ary manjary tafasaraka amin’Andriamanitra izy.
Aoka tsy ho tonga amintsika izany! Na dia manodidina antsika aza ny ratsy, dia afaka mandresy ny ratsy amin’ny soa isika rehefa ampian’Andriamanitra. Tahaka ny fandresen’ny mazava ny aizina hatrany no handresen’ny tsara ny ratsy hatrany koa.
Ny tenin’i Paoly manao hoe reseo amin’ny soa ny ratsy, dia baiko fa tsy soso-kevitra! Rehefa manome baiko Andriamanitra dia manome hatrany koa ny fomba sy ny hery enti-manatanteraka izany.

Romana 14 : 13  “Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy”
Ny vontoatin’ny fampianarana ao amin’ny toko faha-14 dia voafintina ao amin’ity andininy ity araka izao : na ny kristiana malemy finoana na ny kristiana matanjaka ara-pinoana dia samy tokony tsy hifampitsara intsony. Tsy tokony hitsara isika na amin’ny fiteny na amin’ny fisainana (Matio 7:1-5). Koa manomboka izao dia aoka ny saintsika tsy hifantoka intsony amin’ny mahamety na tsy mahamety ny fihinanan-kena, na ny fitandremana andro manokana, na ny zavatra hafa toy izany. Fa aoka kosa isika hifantoka amin’izay tsy hisian’ny fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahintsika. Ary izany no tena zava-dehibe indrindra (I Korintiana 8:4-13; 9:22-23; 10:23-33; Kolosiana 2:16)

Romana 14 : 15  “Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony hianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy”
Izao indray i Paoly dia manambara ny zavatra tena lehibe indrindra izay mamaritra ny fifandraisantsika amin’ny hafa, dia ny fitiavana. Ohatra, andeha ataontsika hoe misy rahalahy iray mino ao amin’ny fieritreretany fa tsy tokony hihinan-kena izy. Ary ianao kosa mino ao amin’ny fieritreretanao fa mety ny mihinan-kena. Dia andeha ataontsika hoe nanasa ilay rahalahy hisakafo ianao, ary hena no narosonao azy. Tsy izay ihany fa mbola noterenao (ankolaka) izy hihinana ilay hena, angamba nataonao tsapany fa meloka izy raha tsy mihinana. Vokatr’izany, mazava ho azy fa ho mampalahelo na ho mavesatra ny fieritreretan’ilay rahalahy. Hanameloka azy ho nanota ny fieritreretany. Satria nino izy fa ota ny mihinan-kena, dia tena ota tokoa izany taminy. Noho izany, noho ny fihinananao (na ny zavatra hohaninao) no nahatonga ny rahalahinao nanota. Nametraka fandavoana na fanafintohinana teo anoloany ianao (and 13). Raha mbola tohizanao hatrany izay hanotany toy izany dia tsy isalasalana fa ny fihinananao no animbanao azy ara-panahy.
Koa raha tiantsika ny rahalahintsika, ahoana no hanaovantsika azy toa izany? Tsy izany ihany, fa Kristy koa efa maty ho an’ny rahalahintsika! Ka moa ve isika handeha hanimba izay efa novonjen’i Kristy? Tsy sitrapony mihitsy izany! Raha nahafoy ny ainy i Kristy mba hamonjena ny rahalahintsika, moa tsy afaka hahafoy hena kely koa va isika noho ny Aminy? (I Korintiana 8:13)

Romana 14 : 21  “Fa tsara ny tsy mihinana hena, na ny misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao”
Ny mihinana hena sy ny misotro divay dia ohatra ihany amin’ireo fanao maro izay mety hahatafintohina ny rahalahintsika. Koa aoka isika hiambina hatrany, tsy eo amin’ny fiainantsika irery ihany fa eo amin’ny Fiangonana koa, ny amin’ireo fanao hafa izay mety hahatafintohina ny rahalahintsika.

I Korintiana 10 : 13  “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany”
Samy mandalo fakam-panahy avokoa ny olona rehetra. Raha misy fakam-panahy manahirana antsika dia aoka isika tsy hihevitra fa isika irery no misedra izany olana izany. Misy olona maro hafa koa mandalo ady tahaka izany.
Misy karazany roa ny fakam-panahy. Voalohany, ny fakam-panahy izay avy any ivelan’ny tenantsika, toy ny fanenjehana, ny fanararaotana, ny fahoriana, ny aretina. Fitsapana matetika no iantsoana ity karazana fakam-panahy ity. Ny fitsapana na fakam-panahy ety ivelany anefa mazàna dia mitarika fakam-panahy ao anaty izay manakivy, mahavery finoana, mampandositra tsy te-hanaraka an’i Kristy intsony. Izany no antony azo iantsoana ny fitsapana ety ivelany ho karazana fakam-panahy ihany koa. Ny karazana fakam-panahy faharoa kosa dia avy ao anatintsika, toy ny sain-dratsy sy ny fanirian-dratsy, ny tsy fananam-pinoana. Ireo karazana fakam-panahy roa ireo no tao an-tsain’i Paoly eto amin’ity andininy ity.
Tsy avelan’Andriamanitra halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika isika. Tena fampanantenana tsy misy toa azy tokoa izany, ka tsy tokony hiteny intsony isika fa misy fakam-panahy tsy voatohitsika ka tsy mampijoro antsika. Raha milaza izany isika dia manao an’Andriamanitra ho mpandainga. Andriamanitra mantsy efa nampanantena fa hanome antsika ny hery hahafahantsika mijoro, hanoherana ny fakam-panahy. Koa raha manana finiavana hanohitra isika dia ho afaka hanao izany. Indraindray ny fanoherana ny fakam-panahy dia ny fandosirana azy (I Korintiana 10:14, I Timoty 6:11). Izany hoe isika mihitsy no tsy maintsy miala amin’ny lalana mitondra ho any amin’ny fakam-panahy. Na Andriamanitra manome antsika ny hery hanoherana ny fakam-panahy, na Izy manisy lalana hahafahantsika mba hahazakana izany, izany hoe esoriny ilay fakam-panahy na ahenany. Ny fahasoavan’Andriamanitra dia ampy hanoherantsika ny fakam-panahy rehetra izay tonga eo amintsika. Fa tsy maintsy mangataka izany fahasoavana izany anefa isika isaky ny tonga ny fakam-panahy.
Fa nahoana moa no avelan’Andriamanitra ho tonga amintsika ny fakam-panahy? Izao no valiny : avelan’Andriamanitra isika halaim-panahy mba hisedrana ny finoantsika, ka hahatonga antsika ho tanteraka sy ho tonga ohatra (Jakoba 1:2-4, 12-15; I Petera 1:6-7)

II Korintiana 11 : 3  “Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny ”
Natahotra i Paoly fandrao tsy hitoetra amin’ny fahadiovana ny Korintiana, na tsy hitoetra ho mahatoky amin’i Kristy. Ny antony mahatonga azy hatahotra dia satria efa tafiditra ao am-piangonana ny mpampianatra sandoka, ka manao izay hitarihana ny Korintiana ho amin’ny lalan-diso (and 13-15), tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tao amin’ny saha Edena (Genesisy 3:1-3).

II Korintiana 11 : 14-15  “Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany”
Mpanompon’I Satana ireo apostoly sandoka ireo. Satana dia mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava, ary avy amin’izany no hamitahany ny maro (Matio 7:15). Ireo apostoly sandoka ireo, izay tahaka an’i Satana tompony ihany, dia mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana. Ahoana ary no hamantarantsika azy? Amin’ny alalan’ny asany sy ny voany (Matio 7:16-20). Amin’ny andro fitsarana dia hahazo ny famaizana mendrika azy ireo apostoly sandoka ireo (Matio 7:19); II Tesaloniana 1:8-9).

Galatiana 5 : 17  “Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo”
Na dia efa nametraka ny finoantsika tamin’i Kristy aza isika, ary efa nandray ny Fanahy Masina dia tsy mbola maty tanteraka ilay filan’ny nofo na toetsika mpanota taloha. Na dia efa eo ambany fifehezan’ny Fanahy aza izany dia mbola miaraka amintsika eny foana, ka manohitra ny Fanahy hatrany, manohitra ny toetrantsika vaovao, dia ilay fiainam-baovao ara-panahy noraisintsika tamin’ny fotoana niovana fo ka ninoantsika.
Arak’izany, misy ady ara-panahy mitohy tsy tapaka ao anatintsika ao, ka tsy tapitra izany raha tsy efa maty isika. Ilay tena vaovao ara-panahy dia mikatsaka ny hanao ny tsara, fa ilay toetsika mpanota taloha kosa manakana azy tsy hanao izany (Romana 7:18-19)
Rehefa mandeha araka ny Fanahy (and 16) isika dia ho voafehy hatrany ny nofo (ny nofontsika). Rehefa mandeha araka ny Fanahy mantsy isika dia voahombo ny nofontsika, izany hoe natao ho tsy manan-kery intsony (Romana 6:6-7, 12-14; Galatiana 2:20; 5:24). Rehefa mandeha araka ny Fanahy koa isika dia tsy manao izay hahatanteraka ny filan’ny nofo amin’ny fahotana intsony, satria tsy manan-kery amintsika ny toetra mpanota. Efa afaka amin’ny herin’ny ota isika. Izany no hevitra lalina fonosin’ny fahafahana ananantsika ao amin’i Kristy.
Fa rehefa tsy mandeha araka ny Fanahy intsony isika, ary tsy miankina amin’ny Fanahy intsony dia ho velona avy hatrany indray ilay toetsika mpanota taloha, ka hidina avy eo ambony hazofijaliana izay toerana efa nametrahantsika azy. Amin’izay fotoana izay dia ho eo ambany fifehezany indray isika. Raha izany no mitranga dia ho very ilay fahafahana nomena antsika, ka ho lasa andevon’ny ota indray isika. 

Efesiana 4 : 27  “Aza manome fitoerana ho an’ny devoly ”
Mitady lalana hatrany ny devoly na i Satana hampiasana ny fahatezerantsika ho amin’ny fikasany. Rehefa tezitra isika, dia miresaka ny amin’ilay olona nahatezitra antsika aloha. Dia mahare izany ny hafa, ka manely ny tatitra ratsy mikasika ilay olona avy amintsika. Rehefa izany no mitranga dia faly ery Satana, satria manomboka mifanaratsy ny kristiana. Izany no paika mahomby indrindra entin’i Satana hampisarahana ny Fiangonana na ny fikambanana kristiana.
Tsy ny manaratsy ny hafa ihany no tsy mety fa ny mihaino resaka fanaratsiana ataon’ny hafa koa. Rehefa miresaka zavatra ratsy mikasika olona iray isika dia manaratsy olona, eny fa na dia marina aza ilay resaka. Izany no atao hoe fanaratsiana, izay tena fahotana lehibe tokoa (Romana 1:30; I Korintiana 5:11; Efesiana 4:31). Ampiasain’i Satana foana ny fanaratsiana olona ho fitaovana anapotehana ny Fiangonana.

Efesiana 6 : 10-11  “Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny  fanangolen’ny devoly”
Mahereza… Tsy soso-kevitra izany fa baiko. Ahoana no fomba ankatoavantsika izany baiko izany? Ahoana no hahatonga antsika ho mahery? Amin’ny hitafiana ny fiadian’Andriamanitra rehetra. 
Tsy ilaina ny mandany andro mihevitra ny tena ho malemy. Mazava ho azy fa malemy isika! Izany indrindra no nanomezan’Andriamanitra ny fiadiany mba ho mahery isika ary vonona hiady amin’ny fahavalo. Noho izany, hoy i Paoly amintsika : tafio avokoa ny fiadiana…
Nomen’Andriamanitra antsika ny fiadiany, dia ny fiadiana ara-panahy. Ary izany no hiaro antsika amin’ny fahavalontsika lehibe indrindra ara-panahy, dia ny devoly, izany hoe, i Satana.

Efesiana 6 : 13  “Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo”
Amin’ny herin’Andriamanitra no ahafahantsika miady amin’i Satana, satria ny heriny dia lehibe lavitra noho ny herin’i Satana (I Jaona 4:4). Ny fandraisantsika ny fiadian’Andriamanitra sy ny famaharantsika no hampandositra an’i Satana (Jakoba 4:7). Eto indray, toy izay hita ao amin’ny andininy faha-11, dia asain’i Paoly mitafy ny fiadian’Andriamanitra rehetra isika. Raha misy fiadiana tsy ao na dia iray akory aza, dia handratra antsika Satana eo amin’izany sehatra tsy misy fiarovana izany.
Eto i Paoly dia milaza amintsika mba ho vonona hanohitra an’i Satana isika rehefa tonga ny andro mahory. Ny andro mahory dia ny andro isian’ny fakam-panahy na ny fanenjehana, ny andro izay tena anafihan’i Satana antsika.

Efesiana 6 : 14  “Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra ”
Mitanisa ireo fitaovana fiadiana enina i Paoly eo amin’ny andininy faha-14-17 : ny sikina sy ny fiarovan-tratra (and. 14), ny kiraro ho an’ny tongotra (and. 15), ny ampinga (and. 16), ny fiarovan-doha sy ny sabatra (and. 17). Ireo fitaovam-piadiana enina ireo no fiadian’ny miaramila tamin’ny andron’i Paoly. Tamin’ny fotoana naha-voafonja an’i Paoly tany Roma no nanoratany ity epistily ity, ka mety nambenan’ny miaramila izay nanana ireo karazana fitaovana ireo izy tamin’izany. Angamba mety ho ny fitaovan’ny mpiambina azy no nanorenan’i Paoly ny fanazavany ny amin’ny fiadian’Andriamanitra.
Ndeha ary isika izao handinika ireo fitaovana fiadiana ireo tsirairay. Voalohany, ny sikina fahamarinana. Satana no rain’ny lainga (Jaona 8:44), ka ny marina irery ihany no afaka mandresy ny laingany. Fahatokisana koa no hevitra fonosin’ny fahamarinana. Eo amin’ny ady ataontsika amin’i Satana mantsy dia tsy maintsy mifampatoky isika.
Ny fitaovam-piadiana faharoa dia ny rariny (na ny marina) ho fiarovan-tratra (Isaia 59:17). Nambaran’Andriamanitra fa marina ny mpino an’i Kristy.  Ny fahamarinany no efa noraisintsika. Nambara fa marina isika satria Kristy no efa nitondra ny famaizana noho ny otantsika. Tsy misy intsony ny fanamelohan’ny ota rehefa mino Azy (Marka 10:45). Tsy maintsy tafiantsika ny rariny ho fiarovan-tratra, raha tsy izany i Satana dia hiampanga antsika ho tsy marina. Raha tsy misy ny fahamarinana dia ho very ny maha-isika antsika ao amin’Andriamanitra. Satana dia mpiampanga tsy misy toa azy. Mpiampanga ny rahalahintsika no iantsoana azy (Apokalypsy 12:10). Ataon’i Satana hatrany izay hampisalasala antsika raha tena voavonjy marina isika.
Iray amin’ny tetika lehibe ataon’i Satana ny manozongozona ny finoantsika, ka foroniny ao an-tsaintsika avokoa izao karazana fisalasalana rehetra izao. Ataony izay hisalasalantsika ny amin’ny toerana misy antsika eo amin’Andriamanitra, ny fombàn’Andriamanitra antsika. Hoy Satana amintsika hoe : “mpanota ianao sady tsy marina, ka tsy homba anao Andriamanitra”. Aoka isika tsy hihaino an’i Satana rehefa miteny amintsika toy izany izy, fa aoka ho tafiantsika ny rariny ho fiarovan-tratra. Aoka hihazona mafy ny finoantsika isika fa efa nohamarinina tokoa tao amin’i Kristy eo imason’Andriamanitra.

Efesiana 6 : 15  “Ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo ”
Ny fitaovam-piadiana fahatelo dia ny kiraro. Tokony hokiraroana ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana. Izany hoe tokony ho vonona hitondra ny filazantsaran’i Kristy any amin’ny hafa isika. Ny mpamboly tsy mila kiraro fa ny miaramila no mila. Miaro antsika tsy ho tafintohina ny kiraro, ary manampy antsika ho amin’ny fahavononana, marika fa vonona handeha hitory ny Filazantsara isika, ka tsy ho tafintohina eny am-pandehanana eny. Izay tany diavintsika dia alehan’ny Filazantsaran’ny fihavanana koa, dia ny Filazantsaran’i Kristy! Eto dia Filazantsaran’ny fihavanana no iantsoan’i Paoly azy satria mipoitra avy amin’izany ny fihavanan’ny olona amin’Andriamanitra (Romana 5:1).

Efesiana 6 : 16  “Ary ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy ”
Ny finoana ho ampinga (fiarovana) no fitaovam-piadiana fahaefatra. Ny ampinga lazainy eto dia ny finoantsika an’Andriamanitra. Ny fanaingantsika ny ampinga no mariky ny fatokiantsika tanteraka ny herin’Andriamanitra. Tamin’ny andron’i Paoly, ny haavon’ny ampinga fiarovana dia nirefy iray metatra sy telopolo santimetatra, ary ny habeny kosa dimy amby fitopolo santimetatra. Tena lehibe tokoa ilay izy ka maharo ny vatana iray manontolo. Torak’izany koa, rehefa manainga ny “ampinga fiarovana antsika ara-panahy” isika dia voaaro tanteraka amin’ny zana-tsipika mirehitra alefan’i Satana, toy ny tahotra, ny hakiviana, ny fisavorovoroan-tsaina, ary ny fisalasalana. Tsy ho tratran’ireo isika rehefa atsangantsika ny ampingan’ny finoantsika.

Efesiana 6 : 17  “Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy”
Ny famonjena ho fiarovan-doha no fitaovam-piadian’Andriamanitra fahadimy (Isaia 59:17). Miaro ny lohan’ny miaramila amin’ny famonoan’ny fahavalony azy ny satroby fiarovan-doha anaovany. Torak’izany koa, mamonjy antsika amin’ny famonoan’i Satana ara-panahy ny fiarovan-doha, izay tsy inona fa ny fahazoana antoka ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay. Tsy azon’i Satana esorina amintsika ny fiainana mandrakizay rehefa manao ny fiarovan-doha isika.
Ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy no fitaovam-piadian’Andriamanitra fahaenina. Mariho tsara fa natao hiarovan-tena ny fitaovana dimy voalohany, fa ny fitaovana fahaenina, ny sabatra kosa, dia natao hamelezana, dia hamelezana an’i Satana. Tsy afaka mandresy an’i Satana isika raha tsy misy an’io sabatra io. Inona moa ilay sabatra? Ny Tenin’Andriamanitra.
Tsarovy fa ny tenin’Andriamanitra irery ihany no namoronany ny tany rehetra sy izao tontolo izao. Ny teniny koa no namoronany ny fanapahana rehetra sy ny fanjakana sy hery voalaza ao amin’ny andininy faha-12, izay lasa nanohitra Azy taty aoriana. Misy asany ny Tenin’Andriamanitra ary manan-kery, manan-kery lavitra noho ny zavatra rehetra aty an-tany. Ary rehefa mihazona ny sabatry ny Fanahy eny an-tanantsika isika dia eo am-pelantanantsika koa izany hery izany!
Ny sabatra dia ny sabatry ny Fanahy Masina izay mampahatsiaro antsika ny Tenin’Andriamanitra (Jaona 14:26). Tiany hampiasa ny Teniny isika mba handresentsika an’i Satana. Hitantsika amin’ny valin-tenin’i Jesosy tamin’i Satana nandritra ny fotoana nakana fanahy Azy ny ohatra tsara indrindra amin’ny fampiasana ny Tenin’Andriamanitra toy ny sabatra (Matio 4:1-11).

Efesiana 6 : 18  “Ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra”
Tsy maintsy mitafy ny fiadiana rehetra miaraka amin’ny vavaka isika. Misy ny olona miantso ny vavaka hoe, fomba fiadiana fahafito. Tsy misy ilàna ny fitaovam-piadiantsika raha tsy arahina vavaka. Tsy tokony ho isika ihany no ho entintsika amim-bavaka fa ny rahalahy sy rahavavy kristiana hafa koa, mba ho afaka hijoro amin’ny famelezan’i Satana izy ireny ka handresy azy. Tsy hanana fiainam-pandresena izy ireny raha ataontsika tsirambina ny fivavahana ho azy. Tsy maintsy mivavaka mandrakariva  amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, amin’ny faharetana, ho an’ny olona masina rehetra.
Asain’i Paoly mivavaka amin’ny Fanahy isika, izany hoe mila ny fanampiana sy fibitsihan’ny Fanahy Masina. Izy no maneho amintsika izay tokony hangatahina ao anatin’ny vavaka ary mampianatra antsika hivavaka (Romana 8:26).

Efesiana 6 : 19-20  “Ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin’ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara (iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin’ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko”
Na dia ireo mpitarika kristiana fanta-bahoaka sy ireo mpitoriteny malaza aza dia mila ny vavaka avy amintsika. Afaka nanao asa lehibe i Paoly satria nivavaka ho azy ireo kristiana namany.
Ambasadaoro (II Korintiana 5:20) na iraka no iantsoan’i Paoly ny tenany ao amin’ny andininy faha-20. Na dia ambasadaoron’ny Mpanjakan’ny mpanjaka aza anefa izy dia nigadra tany am-ponja tany Roma no niafarany.

I Tesaloniana 3 : 5  “Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina”
Satana no mpaka-fanahy resahin’i Paoly eto (Matio 4:3,10). Ataon’i Satana izay hakana fanahy ny kristiana na hialany amin’ny finoany. Ny kristiana vao niova fo, vao afaka tamin’ny fanjakan’i Satana ka mbola marefo finoana no tena asiany amin’izany.
Miasa mafy i Satana mba hitarihana ny mpino ho amin’ny fakam-panahy (Matio 6:13). Maro karazana ny fakam-panahy. Ohatra, mety ho tratran’ny fanerena hanao fombafomba mifanaraka amin’ny fivavahan’ny razana ny kristiana vao niova fo. Mety hatahotra ny tsy handova izy raha mandà izany. Arak’izany, alaim-panahy izy hiverin-dalana ka hanompo ny andriamanin-kafa izay nivavahany teo aloha. Tsy maintsy manohitra izany fakam-panahy izany anefa izy. Tsaratsara kokoa amintsika ny mahafoy ny lova ety an-tany noho ny mirisika mamoy ny lovantsika any an-danitra.
Maro ny fakam-panahy mety mahazo ny kristiana vao nanolo-tena, toy ny tahotra ny ho voagadra, tahotra ny halàna amin’ny asa, tahotra ny hoesoin’ny namana. Avy amin’i Satana avokoa izany fakam-panahy rehetra izany. Andriamanitra anefa, araka ny fikasany mandrakizay, dia mamela ireny fakam-panahy ireny hitranga eo amin’ny fiainantsika mba hampahery ny finoantsika.
Mazava ho azy fa mbola misy maro hafa koa ny fakam-panahy, toy ny fisalasalana, ny tahotra, ny aretina, ets… Mampiasa tetika isan-karazany i Satana mba hanapotehana ny finoantsika sy hanakanana ny asan’Andriamanitra (Matio 13:39; Marka 4:15; Lioka 22:3; I Korintiana 7:5; II Korintiana 4:4; 12:7; II Tesaloniana 2:9)
Io Satana fahavalo lehibe io anefa dia efa resin’i Jesosy Kristy (Kolosiana 2:15). Ary isika koa, afaka mandresy azy amin’ny herin’i Kristy, rehefa mitana ny finoana ho ampinga (Efesiana 6:6).

I Timoty 6 : 9-10  “Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandetika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be”
Tsy misy maharatsy ny harena, fa ny fitiavan-karena sy ny faniriana hanangona azy no ratsy (and 10). Zavatra telo no mitranga eo amin’ny olona tia harena sy te-hanan-karena hatrany. Voalohany, latsaka amin’ny fakam-panahy izy; faharoa, latsaka amin’ny fandrik’i Satana; izany hoe voageja amin’ny filana maro tsy misy antony sady mandratra; ary fahatelo farany, milentika ao anatin’ny faharinganana sy ny fahaverezana izy, ka sarotra aminy ny hiala amin’izany (Jakoba 1:14-15).
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra. Rehefa mitombo izany fototra (na faka) izany dia mamoa an’izao karazana voa ratsy rehetra izao. Mariho tsara fa ny fitiavam-bola, hoy i Paoly, fa tsy ny vola, no fototry ny ratsy.
Izay tia vola mandrakariva no miala amin’ny finoany (Marka 10:23-25). Tsy mety no sady tia an’Andriamanitra no tia harena (Matio 6:24-25). Tsy izany ihany fa na tonga mpanan-karena fatratra aza ilay olona dia tsy ho afa-po na oviana na oviana. Tsy hisy hahita ny tena fiadanana, na ny tena fifaliana, na ny fiononana amin’ny harena mihitsy. Fa vao mainka aza ny harena mitarika ho amin’ny fanahiana. Ny olona manan-karena dia miahy hatrany sao ho very izay ananany. Tsy ho fitahiana ho azy ny hareny fa ho ozona kosa aza. Manindrona ny tenany amin’ny alahelo be izy.

Hebreo 2 : 18  “Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy”
Ny olona efa nandalo fahoriana sy fijaliana no tena afaka manampy sy mampahery ny hafa izay mijaly koa. Amin’izao fotoana izao, raha mijaly noho ny amin’i Kristy isika, dia tsarovy fa efa nijaly ho antsika koa Izy teo aloha. Ary manatrika antsika Izy izao, manampy antsika hijoro, mampahery antsika. Ary omeny fifaliana sy fiadanam-po isika (II Korintiana 1:3-5).
Araka izany, Jesosy Kristy dia Mpisoronabe tsy nisy tsiny ary Mpamonjy tonga lafatra tamin’ny lafiny rehetra. Izy no nampihavana antsika tamin’Andriamanitra (Romana 5:1). Izy no nanao fanavotana noho ny helotsika. Ary vokatr’izany dia nohamarinina teo anatrehan’Andriamanitra isika (Romana 3:24). Kanefa tsy izany ihany, fa satria efa nandalo fijaliana sy fahoriana Jesosy ary efa nalaim-panahy, dia tena afaka mampionona sy mampahery antsika izay mandalo fahoriana sy fijaliana ary alaim-panahy koa Izy. Koa atao ahoana ny tsy hidera sy hankalaza ary ho tia ny Mpamonjy tahaka izany!

Hebreo 4 : 15  “Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota”
Fantatr’i Jesosy ny fahalementsika. Fantany ny halehiben’ny fakam-panahy hatrehantsika, satria Izy koa aza efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika. Noho izany, mahavonjy antsika izay alaim-panahy koa Izy (Hebreo 2:18). Afaka miresaka Aminy toy ny namana isika. Azony tanteraka izay zavatra andalovantsika. 
Nalaim-panahy tahaka antsika koa Jesosy. Natao tahaka ireo rahalahiny tamin’ny zavatra rehetra Izy (Hebreo 2:17). Tsy nanota mihitsy anefa Izy. Ary satria tsy nanota mihitsy Izy dia tonga Mpisoronabe tanteraka izay andraisantsika famonjena (Hebreo 5:8-9).

Jakoba 1 : 2-4  “Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fakam-panahy samy hafa hianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra hianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona”
Ny fizahan-toetra voalaza amin’ity fizarana ity dia ny fahoriana sy ny fanenjehana tsy maintsy atrehintsika noho ny amin’i Kristy.  Tsy ny fahoriana mihatra amintsika vokatry ny fahadisoana na ny ota nataontsika no resahan’i Jakoba eto.
Tsy milaza i Jakoba fa mahafaly ny fizahan-toetra, fa tokony “atao” ho fifaliana kosa izy ireny, hoy izy. Inona ary no antony ? Satria ahazoantsika tombontsoa ara-panahy ny karazana fizahan-toetra toy izany. (and 3 sy 4). Miaritra fizahan-toetra koa ny mpanaraka fombam-pivavahana hafa, kanefa ny kristiana irery ihany no afaka mifaly ao anatin’ireny fizahan-toetra ireny.
Fizahan-toetra na fitsapana ny finoantsika no iantsoan’i Jakoba izany fizahan-toetra izany. Inona no tombontsoa azontsika avy amin’ireny fizahan-toetra ireny ? Mamboly faharetana aty anatintsika izy ireny. Avelan’Andriamanitra handalo fizahan-toetra isika mba hisedrana sy hanamafisana ny finoantsika (I Petera 1:6-7). Ny atao hoe miaritra dia mijoro tsara ary mahery amin’ny finoana. Azo adika koa hoe sahy ary mahery fo fa tsy mimonomonona na minaonaona tahaka ny alika voakapoka. Miha-mahery ny olona rehefa maharitra fisedrana na fizahan-toetra. Tsy ny herin’ny tenany anefa no entiny miaritra izany fa hery avy amin’i Kristy noho ny finoany Azy.
Teny iray mitovy hevitra amin’ny faharetana koa ny fahari-po, izay iray amin’ny vokatry ny Fanahy Masina (Galatiana 5:22). Tena ilaintsika tokoa ny toe-panahy mahari-po sy maharitra fizahan-toetra, satria miankina amin’izany ny famonjena antsika. Hoy indrindra Jesosy hoe : “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena” (Marka 13:13; Lioka 21:19)
Ny antony faharoa amelan’Andriamanitra antsika handalo fizahan-toetra dia ny mba hanitsiany antsika. Angamba mety ho lasa lavitra Azy isika, na tsy mety manao ny sitrapony intsony. Amin’ny alalan’ny fizahan-toetra samihafa no hamerenan’Andriamanitra antsika ho amin’ny lala-mahitsy indray. Tsy tokony ho ketraka isika rehefa sendra fanitsiana toy izany (Hebreo 12:5-6) fa tokony hanaiky ilay fizahan-toetra amim-pifaliana. Fantatsika mantsy izany fa mikendry ny soa ho antsika sady mifanaraka tsara amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
Fahamatorana no vokatry ny faharetana. Ampandalovina fizahan-toetra isika mba ho tanteraka sy ho tonga ohatra. Ny kristiana matotra dia mahari-po sady manana faharetana. “Tsy misy tsy ampy na inona na inona eo aminy”, tanteraka izy. Hita sy tsapa eo amin’ny fiainany ireo vokatry ny Fanahy rehetra. Toy ny voankazo masaka tanteraka ny olona toy izany. Tsy masaka indray miaraka ny voankazo iray; ny ilany aloha no masaka voalohany, fa rehefa tratry ny andro sy ny orana ilay voankazo vao manomboka masaka daholo. Toy izany koa ny kristiana.

Jakoba 1 : 12  “Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain’ny Tompo homena izay tia Azy”
Handray ny satroboninahitry ny fiainana ny mpino manana faharetana. “Ny satroboninahitry ny fiainana” dia ny satroboninahitry ny fandresena ny ota, na ny fandresena amin’ny hazakazaka eo amin’ny fiainantsika (I Korintiana 9:25; II Timoty 4:7-8). Ny famonjena na ny fiainana mandrakizay anefa no tena dikan’ny satroboninahitry ny fiainana. “… Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena” (Marka 13:13). Fotoana fohy ihany no hitondrantsika ny hazofijaliana, fa ho mandrakizay no hitondrantsika ny satroboninahitra. 
Nampanantena Andriamanitra fa hanome ny satroboninahitry ny fiainana ho an’izay tia Azy, dia izay mino sy mankato Azy. Tsy azo sarahina mihitsy ny fitiavana sy ny fankatoavana ary ny finoana. 
Tokony hifantoka amin’ny teny hoe fizahan-toetra isika eto amin’ity andininy ity. Ny fizahan-toetra dia ny karazana fahoriana na zava-manahirana mitranga eo amin’ny fiainantsika amin’ny fotoana samihafa. Avelan’Andriamanitra handalo fizahan-toetra toy izany isika mba hitsapana ny finoantsika sy hampaharitra azy (and 2). Fa ny fizahan-toetra koa dia mety handatsaka antsika ao anatin’ny ota. Ohatra, raha miaritra fanenjehana noho ny finoantsika isika, dia mety ho alaim-panahy hiala amin’ny finoantsika. Ny fialana amin’ny finoana anefa dia ota lehibe. Na ohatra iray koa, raha nampitomboin’Andriamanitra ny harentsika noho ny fahasoavany, dia mety ho alaim-panahy isika hampiasa izany amin’ny fomba feno fitiavan-tena. Mety ho lasa tiantsika mihoatra noho Andriamanitra koa izany harena izany. Dia latsaka ao anatin’ny ota indray koa isika. Ohatra iray hafa koa : mety hanomboka ho raiki-pitia amin’olon-kafa isika na dia efa manambady aza. Amin’ny toe-javatra toy itony dia mahery vaika tokoa ny fakam-panahy hanota ka tena hozahan-toetra marina ny finoantsika.
Karazana fizahan-toetra mety hitarika antsika amin’ny fakam-panahy hanota avokoa izany. Raha tsy mijoro tsara isika ary miaritra amin’ny toe-javatra toy izany dia ho lavo amin’ny ota. Tsy ilay fizahan-toetra no mitarika antsika hanota, fa ny filàna sy faniriana ao anatintsika (and 14). Avy ao amin’ny toetsika manota no ipoiran’ny ota. Koa tsy azontsika ahilika any amin’ny fizahan-toetra ny tsiny noho ny ota nataontsika fa ny tenantsika no meloka amin’izany.

Jakoba 1 : 13-14  “Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe : Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy; fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy.”
Ny teny hoe alaim-panahy no ampiasain’i Jakoba amin’ireto andininy ireto. Tsy ny amin’ireo karazana fizahan-toetra izay nambarany teo amin’ny andininy faha-2 sy faha-12 no resahiny eto, fa momba ny fakam-panahy na ny filàna hanota. Avelan’Andriamanitra handalo fizahan-toetra isika, araka ny sitrapony, mba hitsapana sy hampaharitra ny finoantsika. Tsy sitrapon’Andriamanitra mihitsy kosa anefa ny haka fanahy antsika hanota. Tsy avy aminy velively ny fakam-panahy hanota fa avy amin’ny filàna hanota ao anatintsika.
Resin’ny fakam-panahy ny kristiana indraindray, dia lavo amin’ny ota. Matetika izy no manome tsiny an’Andriamanitra rehefa latsaka ao anatin’ny otany; ka milaza hoe : “naka fanahy ahy Andriamanitra dia lavo aho”. Tsy tokony hihevitra izany velively isika, satria Andriamanitra tsy maka fanahy ny olona hanota.
Noho izany, tokony ho tsaroantsika fa zavatra roa samy hafa no resahin’i Jakoba rehefa mamaky ity toko ity isika. Voalohany, ny amin’ny fizahan-toetra vokatry ny zava-mitranga ety ivelany no resahiny (and 2-3, 12). Faharoa, ny amin’ny fakam-panahy hanota izay vokatry ny filan-dratsy avy ao anatintsika no resahiny eto amin’ny andininy faha-13-14. Avelan’Andriamanitra ho tonga amintsika ny fizahan-toetra avy ety ivelany mba hitsapana sy haharetan’ny finoantsika. Ny fakam-panahy avy ao anaty kosa dia tsy avy amin’Andriamanitra velively. Fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy (and 13). Tsy maintsy iaretana ny fizahan-toetra ety ivelany, ary tsy maintsy resena ny fakam-panahy ao anaty.

Jakoba 1 : 15  “Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.” 
Tsy maintsy mandalo fakam-panahy maro samihafa (fisainan-dratsy na filàna) ny kristiana rehetra indraindray (II Korintiana 10:5). Raha lavintsika avy hatrany izy ireny dia tsy ho lavo amin’ny ota isika. Fa raha misy amin’ireny fisainan-dratsy na filàna ireny kosa avelantsika mamaka sy mitombo, dia ota no vokatr’izany haingana dia haingana. Izany no dikan’ny hoe : ary ny filàna rehefa torontoronina dia miteraka ota. Na dia tsy mitarika antsika hanao fitondrantena ratsy aza ireo fisainan-dratsy sy filàna ireo, dia ho lasa ota ihany raha mijanona ao anatin’ny saintsika sy ao am-pontsika. Ary fahafatesana no vokatry ny ota. Ny ota kosa mitarika ny olona ho amin’ny fahafatesana mandrakizay (Romana 6:23; Galatiana 6:7-8).

Jakoba 1 : 16-17  “Aza mety hofitahina hianareo, ry rahalahy malalako. Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana.” 
Aza mety hofitahina hianareo. Andriamanitra tsy mitarika ny olona hanao ratsy velively. Hanao ny tsara ihany no itarihany ny olona. Ho an’izay tia an’Andriamanitra dia miara-miasa hahasoa azy avokoa ny zavatra rehetra (Romana 8:28). Soa sy tanteraka ny fanomezana rehetra omen’Andriamanitra. Ary ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy amin’Andriamanitra. Rain’ny fahazavana no iantsoan’i Jakoba an’Andriamanitra eto. Ny tiany ambara dia hoe : Andriamanitra no mpamorona ny masoandro amam-bolana ary ny kintana. Tsy mba toy ireny “fahazavana eny amin’ny lanitra” izay miova andro aman’alina ireny anefa Andriamanitra. Mamiratra mandrakariva ny fahazavany, ary tsy misy fahamaizinana ao Aminy (Jaona 8:12; I Jaona 1:5).

Jakoba 4 : 7  “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy” 
Tokony hiala amin’izao tontolo izao sy ny fahafinaretany isika, ary hanaiky an’Andriamanitra. Miaraka amin’izay dia tsy maintsy manohitra ny devoly isika. Ataon’i Satana foana izay hisintonana antsika hiala amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahafinaretan’izao tontolo izao. Noho izany, tokony ho toherintsika izy sy ny fakam-panahy velariny eo anoloantsika (I Petera 5:8-9).
Maro ny olona no manontany hoe : “ahoana no ahafahako manohitra an’i Satana?”. Ahoana no hendreseko azy? Efa tena manohitra mafy aho rehefa tonga ny fakam-panahy, kanefa lavo haingana ihany aho (Romana 7:15, 18-19).
Ahoana ary no fomba hanoherana ny devoly? Amin’ny alalan’ny herin’i Kristy no hanoherana azy. Ny dingana voalohany dia izao : tsarovy fa mamadika an’i Jesosy isika isaky ny manao izay tadiavin’ny devoly. Ny dingana faharoa dia : mijoroa amin’ny herin’i Kristy (Efesiana 6:10-11, 13). Azontsika tovozina amin’ny fotoana rehetra izany herin’i Kristy izany. Ny hany ataontsika dia ny “mitafy” ny heriny sy ny fiadiany. Toy ny herinaratra ny herin’i Kristy, vonona mandrakariva amin’izay ilàna azy, kanefa isika no tsy maintsy mampandeha azy.
Noho izany, rehefa maka fanahy antsika ny devoly, dia lazao tsotra hoe : “mandehana hianao, ry Satana” (Matio 4:10).

I Petera 1 : 6-7  “Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza hianareo, raha tsy maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza), dia amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy”
Avelan’Andriamanitra handalo fakam-panahy maro samy hafa isika mba hizahan-toetra sy hanamafy orina ny finoantsika. Tahaka ny volamena voazaha toetra amin’ny afo no “hitsapana” na hanadiovana ny finoantsika amin’ny alalan’ny fizahan-toetra. Ny fizahan-toetra no hamantaran’Andriamanitra raha tena marina ny finoantsika na tsia. Ary satria isika manantena ny fiainana mandrakizay, dia afaka mifaly ao anatin’ireny fizahan-toetra mandalo ireny. Tsy ny hanimba antsika no isian’ireny fizahan-toetra ireny fa ny hahasoa antsika (Matio 5:11-12; Romana 5:3-4; Jakoba 1:2-4; I Petera 4:12). Handray fiderana sy voninahitra ary fankalazana isika raha hitan’Andriamanitra fa tena marina ny finoantsika aorian’ireny fizahan-toetra andalovantsika ireny. Amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy no handraisantsika izany, izany hoe rehefa miverina indray Izy. 
Raha levona ny finoantsika eo ambany fizahan-toetra dia ho zava-poana avokoa izay ataontsika rehetra. Ny finoantsika no tena tafihan’i Satana. Hoy Jesosy tamin’i Petera hoe : “Ry Simona, ry Simona, indro Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao” (Lioka 22:31-32). Raha miorina mafy ny finoantsika dia hiorina mafy koa isika.

I Petera 4 : 7  “Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonona tena ho amin’ny fivavahana”
Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra, dia ny fiverenan’i Kristy. Tokony hitondra tena toy ny miandry ny fiverenan’i Jesosy ny ampitso isika tsirairay (Marka 13:33-37; Lioka 12:35; 17:26-27). Tokony ho hendry (madio saina) sy mahonon-tena hatrany isika mba hahatonga ny vavaka ataontsika hisy heriny bebe kokoa. Teo am-panoratana ity dia inoana fa tsaroan’i Petera ny fotoana niarahan’ny mpianatra tamin’i Jesosy tao Getsemane. Noho ny torimaso tamin’izany dia tsy nahari-tory mba hivavaka izy ireo (Marka 14:37-40). Angamba, noho i Petera tsy naharitra nivavaka tao amin’ny sahan’i Getsemane no nahatonga azy ho lavo tamin’ny fakam-panahy sy nandà ny Tompony tao aoriana kely (Marka 14:66-72).

I Petera 5 : 8-9  “Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao”
Mahonona tena, miambena. Tsy maintsy mahonon-tena (mahafehy tena, mahalala honony) isika ary vonona amin’ny asa raha te-hahomby amin’ny fanompoana an’i Kristy (I Petera 1:13). Tsy maintsy mahonon-tena ihany koa isika, ary madio saina raha te-hahomby amin’ny vavaka atao (I Petera 4:7). Milaza i Petera eto fa tokony hahonon-tena sy hiambina isika hanakanana ny devoly (Satana) tsy handrapaka antsika.
Ataon’i Satana izay handrapahana na hanapotehana antsika amin’ny alalan’ny fitarihana antsika hanota sy tsy hankato an’Andriamanitra. Ataony koa izay hanapotehana ny fifandraisan’ny samy mpivavaka, amin’ny alalan’ny famoronana ady eo amin’izy ireo, indrindra amin’ny fampirisihana antsika hifanaratsy sy hifosa (Galatiana 5:15). Ambonin’izany rehetra izany, dia miezaka ny devoly hanapotika ny finoantsika amin’ny famafazana fisalasalana sy tahotra ao amin’ny saintsika. Ho very isika raha mahomby izy amin’izany. Fahavalo manan-kery i Satana (Efesiana 6:12). Aoka isika tsy hihevitra mihitsy fa afaka mandresy azy amin’ny herin’ny tenantsika.
Andriamanitra sy Kristy anefa mahery noho ny devoly sy ny heriny ratsy rehetra (Efesiana 6:10-11; I Jaona 4:4). Mety ho liona mierona ny devoly, kanefa Andriamanitra efa namatotra ny tendany tamin’ny “tady”, izay tsy ahafahany mandeha n’aiza n’aiza intsony na manao na inona na inona, raha tsy mahazo alalana avy amin’Andriamanitra. Ny mampahory sy mampijaly antsika ihany no azony atao, rehefa mamela azy hanao izany Andriamanitra, mba hanatanterahana ny fikasany tsara eo amin’ny fiainantsika. Ho sanatria amin’Andriamanitra izay hamela an’i Satana handrapaka ny zanany mahatoky!
Isika mpino kosa anefa tsy maintsy manao ny anjarantsika. Tsy afaka hiaro antsika Andriamanitra raha tsy misy fiaraha-miasa avy amintsika. Voalohany, tokony hanonon-tena sy hiambina hatrany isika. Faharoa, tokony hankato ny sitrapon’Andriamanitra hatrany. Fahatelo, tokony hivavaka mandrakariva mba tsy ho lavo amin’ny fakam-panahy (Matio 6:13; Marka 14:38). Fahaefatra, tokony hitafy ny fiadian’Andriamanitra (Efesiana 6:13-18). Ary farany, rehefa vitantsika izany rehetra izany, dia tsy maintsy manohitra an’i Satana isika, amin’ny fiorenana mafy amin’ny finoana (and 9). Ary rehefa manohitra azy isika, dia handositra antsika izy (Jakoba 4:7).
Tohero izy, ka miorena amin’ny finoana hianareo. Nisy fotoana anankiray tsy nanoheran’i Petera an’i Satana. Nihaketraka ny finoany, ka hoy Jesosy taminy hoe : “Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao. Ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ny rahalahinao” (Lioka 22:32). Eto amin’ity andininy ity ary dia manatanteraka izay nolazain’i Jesosy taminy i Petera (Simona) : mampahery ny rahalahiny. Mandalo karazana fijaliana toy izany ny kristiana rehetra manerana izao tontolo izao noho ny teti-dratsin’ny devoly. Tsy isika irery no mijaly, koa ndeha samy hifampahery.
Afaka mandresy ny devoly amin’ny ran’ny Zanak’ondry (Kristy) sy ny teny filazana Azy isika amin’ny farany. Izay tsy mankamamy ny ainy intsony na dia ho faty aza no tena mandresy ny devoly (Apokalypsy 12:11). Tsy natahotra ny ho faty Petera. Vavolombelona natoky an’i Kristy tokoa Izy ka novonoin’ny Romana. Angamba mety ho niatrika fahafatesana koa ny sasany tamin’ireo nandefasan’i Petera ity epistily ity, ka tsy tiany ho ketraka ny finoany fa hahery ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany (Efesiana 6:10). Tokony handresy ny devoly koa izy ireo (I Jaona 4:4).