FPTAF - Ny Fifohazam-panahy
Ny Baiboly Masina

Ny Fifohazam-panahy

Feno fifaliana tokoa ny ankamaroan’ny olona amin’ny fotoana hanatonany an’i Kristy voalohany, ary mahatsiaro ho afaka sy feno fitiavana. Mahatsapa ho tena akaikin’i Jesosy izy amin’izany. Miredaredan’ny faniriany hanompo Azy ny fony. Kanefa rehefa mandeha ny fotoana dia mihena tsikelikely ilay firehetam-po tany am-piandohana, ary matetika maina tanteraka. Fa inona no antony ? Fa inona no nitranga ? Ahoana no fomba hamerenana indray ilay zavatra tsapa tamin’ny fotoana nanatonana an’i Jesosy voalohany ?

Eo amin’ny fiainana kristiana dia tsy misy zavatra manahirana toy ny fahaverezan’ny hafanam-po na ny fitiavana an’i Jesosy. Nanoratra zavatra mampatahotra ho an’ny Fiangonana tany Efesosy araka izao Jesosy : « Kanefa mana-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany ianao. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany, fa raha tsy izany ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao » (Apokalypsy 2:4-5).

Misafoakan’ny hatezerana i Satana rehefa misy olona mandao ny fanjakany, dia ny fanjakan’ny maizina, ka miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy. Noho izany, raha vao miova ho kristiana ny olona iray dia tafihany amin’ny fitaovam-piadiany rehetra izay ananany. Ny tena vaindohan-draharahan’i Satana dia ny hanesorana ny fitiavan’i Jesosy ao anatin’ny mpino. Fantatr’i Satana fa tsy afaka handrombaka ny tena kristiana hiala amin’ny tanan’i Jesosy intsony izy (Jaona 10 :28). Afaka manao izany kristiana izany ho tsy mahomby kosa anefa izy ; afaka mahatonga azy ho tsy misy fitiavana intsony ary tsy misy aim-panahy intsony koa. Ary matetika izy no mahomby amin’izany.

Raha izany ary dia mila fohazina ara-panahy matetitetika isika eo amin’ny fiainana kristiana. Tsy ny isam-batan’olona ihany no mila fohazina fa ny Fiangonana koa. Ilaintsika hatrany ny mandini-tena. Moa Jesosy tiantsika mihoatra noho ny zavatra rehetra eto amin’izao tontolo izao ? (Marka 12:30). Moa ny fanjakan’Andriamanitra katsahintsika alohan’ny zavatra rehetra ? (Matio 6 :33). Moa tena tiantsika sady mifankahazo am-po amintsika ny rahalahy sy anabavy kristiana rehetra ? (I Jaona 1:7 ; 4:20). Moa isika manana ny vokatry ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika isan’andro ? (Galatiana 5 :22-23). Moa mbola manana hery ara-panahy ve isika ? Ary ny Fiangonantsika ? (Lioka 24 :29 ; Asan’ny Apostoly 1 :8). Raha « tsia » ny ankamaroan’ny valiny amin’ireo fanontaniana ireo dia mila fohazina isika.

Iray amin’ireo antony lehibe ianarantsika ny tenin’Andriamanitra ny mba hananantsika fihavaozana sy fifohazana eo amin’ny fiainantsika. Ndeha hotomorintsika akaiky ary izao ny atao hoe fifohazam-panahy. Fa inona tokoa moa ny fifohazam-panahy ? Ny fifohazam-panahy dia ny fiverenantsika amin’ilay fitiavana voalohany an’i Kristy. Ny fifohazam-panahy dia fandehanana amin’ny mazava miaraka amin’i Jesosy ary famelana Azy ho velona ao anatintsika. Ny fifohazam-panahy dia fiverenan’ny aim-panahy vaovao rehefa avy reraka ara-panahy. Ny fifohazam-panahy dia fiaikena ny ota ary fiantsoana an’i Jesosy hamela heloka sy hanadio. Ny fifohazam-panahy dia famelana an’i Jesosy hanapaka ny sehatra rehetra eo amin’ny fiainantsika.

Fotoana hikobanan’ny ao anatintsika lalina ny fifohazam-panahy. Tsy midika anefa izany fa tokony hamorona fihetseham-po hafahafa isika, fa fotoana hivavahana sy hieritreretana, handinihan-tena ; hanatonana an’i Jesosy bebe kokoa. Ny fifohazam-panahy koa dia fotoana hampibaribariana ny fihatsarambelatsihy sy famitahan-tena, fotoana ampiharihariana ny ady, ny fifanaratsiana ary ny lolompo misy eo amin’ny Fiangonana, ary fotoana hibebahana amin’izany. Ny fifohazam-panahy no fotoana tena hiovan’ny fiainantsika, ka miantraika any amin’ny hafa izany ary mahasarika azy hanatona an’i Kristy. Ambonin’izany rehetra izany, ny fifohazam-panahy dia fotoana ahatongavan’ny Fanahy Masina amin-kery eo amintsika, iasany ao anatintsika, na eo amin’ny tsirairay izany na amin’ny Fiangonana.

Ahoana moa no fanombohan’ny fifohazam-panahy ? Mazàna izy no miandoha amin’ny fahatsapana ny ota sy fibebahana amin’izany. Ny ota no antony voalohany ilantsika fifohazam-panahy. Ny tena fomba fanafihan’ny devoly antsika dia ny fakàna fanahy hanota. Rehefa manota mantsy isika dia tafasaraka amin’Andriamanitra, ary mampalahelo ny Fanahy Masina izay ao anatintsika. Dia tsy manana firaisana amin’i Jesosy intsony isika ; tsy misy fifaliana intsony, tsy manana fiadanam-po na hery ara-panahy. Raha tsy nisy ota tao anatintsika dia tsy ho nisy nilàna fifohazam-panahy. Koa manomboka amin’ny fanekena sy fibebahana amin’ny ota izany ny fifohazam-panahy.

Tsy tiantsika ny mihevitra ny tenantsika ho mpanota. Hamaivanintsika ny otantsika. Matetika aza no tsy fantatsika akory ny fisiany. Tahaka ilay tovolahy mpanan-karena iray isika. Nilaza tamin’i Jesosy izy fa efa nitandrina ny lalàna rehetra hatry ny fony kely (Marka 10 :17-21). Nitompo teny fatratra izy fa tsy nanana ota !

Na dia tsy mahita ny otantsika aza anefa isika, Andriamanitra mahita izany. Tsy ny fandikana ny didy fotsiny ihany no ota, fa izay zavatra rehetra eo amin’ny fiainantsika tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra voambara ao amin’ny Baiboly. Midika izany fa ota koa ny toe-po ratsy, toy ny fitiavan-tena, ny avonavona, ny fitsiriritana, ny filan-dratsy, ny lolom-po, ny fiahiahiana, ny tsy finoana. Tsy ny fanaovana ratsy ihany no ota, fa ny tsy fanaovana ny tsara koa (Jakoba 4 :17), ny tsy fahavitana mitia an’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra, amin’ny fanahy, amin’ny saina ary amin’ny hery (Marka 12 :30). Ota koa ny tsy fahavitantsika mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika (Marka 12 :31), ny tsy faharetana amin’ny finoana hatramin’ny farany (Marka 13 :13), ny tsy fizarantsika ny Filazantsara rehefa misy fotoana azo hanaovana izany (I Petera 3 :15), ny tsy fanampiantsika ny namana latsaka an-katerena (Matio 25 :41-45). Koa iza amintsika ary no afaka hilaza fa tsy manana ota ? (I Jaona 1 :8).

Koa ny dingana voalohany amin’ny fifohazam-panahy ary dia ny fiaikena ny ota. Tsarovy ny mafy nihatra tamin’i Jesosy mba hanadiovana antsika amin’ny ota. Andeha isika hangataka ny Fanahy Masina haneho amintsika ireo ota miafina ao anatintsika. Ireto misy santionam-panontaniana tokony apetraka amin’ny tena mba hamantarana ireo sehatra eo amin’ny fiainantsika izay tsy mbola manaiky an’i Jesosy ho Tompo.

Moa ve misy zavatra hafa tiako mihoatra noho Andriamanitra ? Ny fianakaviako, ny asako, ny fahafinaretako, ny tenako ? (Matio 6 :33 ; Marka 12 :30).

Moa ve aho tsy nankasitraka sy nimonomonona tamin’Andriamanitra noho ny toe-javatra iray na maro teo amin’ny fiainako ? (I Korintiana 10 :10 ; Filipiana 2 :14 ; I Tesaloniana 5 :18).

Mila sitraka amin’ny hafa ve aho ? Mitady dera ve aho rehefa manao ny tsara ? Te-hisintona ny mason’ny hafa ve aho ? (Matio 6 :1-5 ; Jaona 12 :43)

Tsy manam-paharetana amin’ny hafa ve aho ? Mpanome tsiny ny hafa ve aho ? Kitonkitonina ve aho na mora tezitra rehefa tsikeraina ? Misy fanahin’ny fankahalana olona ve ato anatiko ? Misy fangidiana anaty ve ato anatiko ? (Hebreo 12 :15)

Mafy loha na mpiziriziry amin’ny hevitro ve aho ? Tsy manaiky ho resy ve na be famaliana ? Mitompo teny fantatra ho manana ny marina foana ve aho ? Masiaka ve na mpanebaka olona ? (Filipiana 2 :3 ; Efesiana 5 :21)

Matahotra izay lazain’ny olona ve aho ? Mandositra andraikitra ve aho ? Manafina ny talenta nomen’Andriamanitra ahy ve aho ? (Matio 25 :24-28)

Mialona ny hafa ve aho ? Faly anaty ve aho rehefa tsy mahomby ny hafa ? (I Korintiana 13 :4-6)

Misy zavatra tsy hitsorako ve ? Misy fahamarinana fantatro nefa afeniko ve ? Manarontsarona ny fahadisoako ve aho ? Miseho ho tsara ivelany ve ? Manao laza masaka ve ? (Matio 23 :27-28, Jakoba 5 :16)

Kivikivy ve aho na malahelo ? Tsy mahatoky an’Andriamanitra intsony ve aho ? Miha osa ve ny finoako ? (Romana 1 :17 ; 14 :23 ; Hebreo 11 :6)

Lasa maina sy fombafomba fotsiny ve ny fiainam-panahiko ? Tsy raharahiko intsony ve ny amin’ireo izay tsy mahalala an’i Kristy ? Lasa reraka ara-panahy ve aho ? Matimaty ve ? Niverin-dalana amin’ny fiainana kristiana ve ? (Marka 8 :34 ; Apokalypsy 2 :4-5 ; 3 :15-16)

Lasa mpanaraka ny fanaon’izao tontolo izao ve aho ? Manjary misaina toy ny fisainan’ny olona tsy mivavaka ve aho ? Lasa tia izao tontolo izao sy ny fahafinaretany ve aho ? (Romana 12 :2 ; I Jaona 2 :15-17)

Raha misy « eny » ny valin’ireo fanontaniana ireo dia tokony hiaiky sy hifona noho izany fahotana izany amin’Andriamanitra isika. Raha manao izany isika dia hanokatra lalana hamohazan’Andriamanitra antsika ara-panahy indray. Raha tsy manao izany kosa isika dia hiha-reraka ka hanalavitra an’Andriamanitra tsikelikely.

Ny dingana faharoa amin’ny fifohazam-panahy dia ny fibebahana amin’ny ota rehetra izay asehon’ny Fanahy Masina. Ny dikan’ny FIBEBAHANA dia malahelo mafy noho ny ota, ary fialàna amin’izany.

Rehefa manao izany isika dia hamela ny helotsika Andriamanitra ary hanadio antsika (I Jaona 1 :19). Raha tsy mahatsapa izany famelan-keloka sy fanadiovana izany isika dia tokana ihany ny antony : tsy mbola tena niala tamin’ilay ota isika.

Ny dingana fahatelo amin’ny fifohazam-panahy dia ny fanarenana ny tsy mety natao tamin’ny hafa (Matio 5 :23-24 ; Lioka 19 :8). Mety ilaina ny miala tsiny amin’ny hafa ;  na ny mamerina ny zavatry ny sasany izay nalaina. Mety ilaina koa ny mamerina amin’ny laoniny ny lazan’ny olona naratsiana. Ankoatra izany, mety ilaina koa ny mamela heloka ny hafa satria ota lehibe ny fitahirizana faka mangidy na fankahalana olona ao am-po (Matio 6 :12, 14-15).

Ny dingana fahaefatra amin’ny fifohazam-panahy dia ny fanoloran-tena ho an’i Kristy indray. Tsy maintsy atolotsika Azy ny sehatra tsirairay eo amin’ny fiainantsika ; fa tsy misy azontsika hazonina. Tsy maintsy manolo-tena isika hankato Azy amin’izay rehetra asainy ataontsika (Jaona 14 :15). Tsy tompon’ny tenantsika isika fa Azy (I Korintiana 6 :19-20).

Ny dingana fahadimy amin’ny fifohazam-panahy dia ny fitakiana amin’Andriamanitra izay nampanantenainy ho an’izay miverina Aminy amin’ny fo manetry tena sy mibebaka. Tsy maintsy sokafantsika ny fontsika hofenoin’Andriamanitra ny Fanahy Masina. Nanome baiko Andriamanitra mba ho feno ny Fanahy isika (Efesiana 5 :18). Noho izany, tsy maintsy maniry ny hofenoina isika, tsy maintsy manolotra ny tenantsika amin’Andriamanitra mba hofenoiny (Romana 12 :1). Tsy maintsy mangataka isika mba hofenoina (Matio 7 :7-8 ; Lioka 11 :13).

Ny dingana fahenina sady farany amin’ny fifohazam-panahy dia ny mivelona amin’ny fanoavana ny Fanahy Masina. Tsy misy olona feno ny Fanahy Masina raha tsy ny Fanahy Masina no manapaka azy. Izao no nosoratan’i Paoly : « Fa hoy izaho : mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo » (Galatiana 5 :16). Izany no fanalahidin’ny fanahafana an’i Kristy sy ny fandresena ara-panahy. Ny atao hoe manana fiainam-pandresena dia ny famelana an’i Kristy ho velona ao anatintsika sy amin’ny alalantsika (Galatiana 2 :20). Ny tanjona tratrarintsika ary dia ny hitovy endrika (toe-po sy teo-piainana) amin’i Kristy (Romana 8 :29). Tsy misy tanjona hafa mihoatra noho izany.

Ireo ary ny dingana tsy maintsy ataontsika ho amin’ny fifohazam-panahy. Tsarovy anefa fa ny Fanahy Masina no manatanteraka manontolo ny asa famohazana, araka izay fomba fiasany sy amin’ny fotoany. Rehefa avy manao izay rehetra tokony ataontsika isika dia afaka miandry Azy.

« Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny Anarako, no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny » (II Tantara 7 :14).

Andriamanitra ô ! Fohazy ny fanahinay !